16 Jolay 2026Kaominina Ambanivohitra Antsiafabositra – Distrikan'i MaevatanΓ na, Faritra Betsiboka π…π’π€πšπ¨π§πšπ§ππ¨π‘πšπ¦-𝐩𝐒𝐫𝐞𝐧𝐞𝐧𝐚: 𝐍𝐚𝐦𝐩𝐚𝐑𝐚𝐟𝐚𝐧𝐭𝐚𝐫𝐒𝐧𝐚 𝐧𝐲 𝐦𝐩𝐨𝐧𝐒𝐧'π€π§π­π¬π’πšπŸπšπ›π¨π¬π’π­π«πš 𝐧𝐲 𝐝𝐒𝐧𝐠𝐚𝐧𝐚 𝐬𝐲 𝐧𝐲 π₯𝐚𝐧𝐣𝐚𝐧'𝐧𝐲 𝐟𝐚𝐧𝐝𝐫𝐚𝐒𝐬𝐚𝐧'𝐚𝐧𝐣𝐚𝐫𝐚𝐧'𝐧𝐲 𝐨π₯𝐨𝐦-𝐩𝐒𝐫𝐞𝐧𝐞𝐧𝐚Notanterahina ny 16 Jolay 2026 tao amin'ny Kaominina Ambanivohitra Antsiafabositra ny fihaonana ifotony notarihin'ny Talem-paritra misahana ny Fanavaozana Betsiboka Atoan Ramaroso Moise sy ireo mpiara-miasa aminy.Kaominina ahitana Fokontany 23 sy mponina 15.063 i Antsiafabositra. Nandritra ny fihaonana dia nampahafantarina ny vahoaka ny momba ny Fikaonandoham-pirenena, izay hotanterahina miaraka amin'ny FFKM, ny tanjony ary ny maha-zava-dehibe ny fandraisan'anjaran'ny olom-pirenena amin'ny fanangonana sy fampitana ireo soso-kevitra sy hetaheta avy eny ifotony ka hatrany amin'ny sehatra nasionaly. Nohamafisina ihany koa ny antso ho amin'ny fandraisana anjara mavitrika mba hahatonga ny Fikaonandoham-pirenena ho sehatra tena iarahan'ny rehetra mandray fanapahan-kevitra.Nanatrika izany ny Ben'ny TanΓ na sy ireo Lefiny, ireo Mpanolo-tsaina Kaominaly, ireo Sefo Fokontany miisa 23 sy ny Lefiny, ny solontenan'ny FFKM sy ireo Fiangonana, ireo mpiasam-panjakana ary ireo fiarahamonim-pirenena.Nandritra ny fihaonana dia naneho ny hafaliany sy ny fahavononany handray anjara mavitrika amin'ny Fikaonandoham-pirenena ny mponina, ary naneho fankasitrahana sy fisaorana ireo mpikarakara ireo Ben'ny TanΓ na.# MCR #Fanavaozana# Fifanajana# Fiarahamientana# Fanolorantena