๐๐„๐“๐‘๐Ž๐Š๐€ โ€“ ๐…๐€๐๐€๐Œ๐€๐‘๐ˆ๐‡๐€๐๐€ ๐๐˜ ๐€๐๐ƒ๐‘๐Ž ๐ˆ๐‘๐€๐ˆ๐’๐€๐Œ-๐๐ˆ๐‘๐„๐๐„๐๐€ ๐‡๐Ž ๐€๐โ€™๐๐˜ ๐…๐€๐๐ƒ๐‘๐ˆ๐€๐Œ๐๐€๐‡๐€๐‹๐„๐Œ๐€๐๐€

๐‘ณ๐’‚๐’‘๐’‚๐’’๐’Š ๐‘ด๐’‚๐’‰๐’‚๐’›๐’๐’‚๐’“๐’Š๐’—๐’
[๐‘ญ๐’‚๐’‰๐’‚-22 ๐’”๐’†๐’‘๐’•๐’‚๐’Ž๐’ƒ๐’“๐’‚ 2026]
Omaly 21 septambra 2026, no tany Betroka, Faritra Anosy, ny Praiminisitra, Lehibenโ€™ny Governemanta, RAJAONARISON Mamitiana, niaraka taminโ€™ny Mpandrindra Maharitra ny Firenena Mikambana eto Madagasikara, Anthony Ngororano, ireo manampahefana eo an-toerana, ireo solontenanโ€™ny sampan-draharahanโ€™ny Firenena Mikambana ary ireo mpiara-miombonโ€™antoka iraisam-pirenena, nanamarika ny Andro Iraisam-pirenena ho anโ€™ny Fandriampahalemana.
Tao anatinโ€™izany no nanaovanโ€™ny delegasiona fitsidihana tao aminโ€™ny Kaominina Kelivaho, nihaonana taminโ€™ireo vondrom-piarahamonina misitraka ny fanohananโ€™ny Firenena Mikambana aminโ€™ny alalanโ€™ireo fandaharanโ€™asa tohananโ€™ny Fonds des Nations Unies pour la Consolidation de la Paix (PBF).
Nisongadina nandritra ny fotoana ny fanavaozanโ€™ireo vondrom-piarahamonina ny fanoloran-tenany ho mpandray anjara mavitrika aminโ€™ny fanorenana sy fitandroana ny fandriampahalemana, izay naseho taminโ€™ny alalanโ€™ny fomba nentim-paharazana ยซ Tsitsika ยป.
Nohamafisinโ€™ny Praiminisitra fa fototra iorenanโ€™ny fampandrosoana maharitra ny fandriampahalemana sy ny filaminana. Manoloana ireo fandrosoana efa hita ao Betroka sy ny Massif de lโ€™Andriry, dia mitohy ny ezaky ny Fanjakana aminโ€™ny fanamafisana ny fisiany eny ifotony, ny fanatsarana ny fahazoanโ€™ny mponina ireo tolotra ho anโ€™ny daholobe ary ny famoronana fahafahana ara-toekarena. Miankina ihany koa aminโ€™ny fandraisanโ€™anjaranโ€™ny vondrom-piarahamonina, ny manampahefana eo an-toerana ary ny fiaraha-miasa aminโ€™ireo mpiara-miombonโ€™antoka ny faharetanโ€™ireo vokatra efa azo.
Notsiahivinโ€™ny Mpandrindra Maharitra ny Firenena Mikambana, Anthony Ngororano, fa efa 10 taona izao no nanohananโ€™ny Fonds des Nations Unies pour la Consolidation de la Paix anโ€™i Madagasikara, ary maherinโ€™ny 52 tapitrisa dolara amerikana no efa navondrona nanomboka ny taona 2016, indrindra ho fanohanana ireo hetsika any Atsimonโ€™i Madagasikara. Notsindriany fa ny fandriampahalemana maharitra dia mila miorim-paka eny anivonโ€™ny tanร na, ny fianakaviana ary ny fiarahamonina.
Ny fitsidihana dia nahafahana nijery ireo fandrosoana vita tao anatinโ€™ny taona maro teo aminโ€™ny fanamafisana ny fandriampahalemana, ny fisorohana ny disadisa, ny filaminana, ny firaisankina ara-tsosialy ary ny fampandrosoana ao aminโ€™iny faritra Atsimonโ€™i Madagasikara iny. Vokatry ny fiaraha-mientanโ€™ny Fanjakana, ireo sampan-draharaham-panjakana, ny vondrom-bahoaka, ny mpitandro ny filaminana ary ireo mpiara-miombonโ€™antoka aminโ€™ny fampandrosoana izany.
Nofaranana taminโ€™ny Karavโ€™alina, izay namarana ny Caravane de la Paix ho fanamarihana ny faha-10 taonanโ€™ny PBF teto Madagasikara, ny hetsika. Nampivondrona ny mponina sy ny manampahefana izany, tao anatinโ€™ny firaisankina sy ny fanoloran-tena iombonana ho aminโ€™ny fandriampahalemana maharitra.
๐—ก๐˜† ๐—ฆ๐—ฒ๐—ฟ๐—ฎ๐˜€๐—ฒ๐—ฟ๐—ฎ