MAHAJANGA: π…πˆπƒπˆππ€ππ€ πˆπ…πŽπ“πŽππ˜ π’π˜ 𝐅𝐀𝐍𝐄𝐍𝐓𝐀𝐍𝐀𝐍𝐀 πŒπŽπŒππ€ 𝐍𝐘 π…πˆπŠπ€πŽππ€ππƒπŽπ‡π€πŒ-ππˆπ‘π„ππ„ππ€

14-18 Septambra 2026
Β 
Nisy ny fidinana ifotony tamin’ireo Fokontany 11 tao amin’ny Kaominina Mahajanga I izay notanterahin’ny Talem-paritra Misahana ny Fanavaozana Boeny Atoa Razafindrakoto Tojo sy ny mpiara-miasa aminy.
Β 
Nandritra izany no nampahafantarina sy nampiomanina ireo Sefom-pokontany momba ny tantsoroka ataon’ny Fanjakana amin’ny alalan’ny Minisitera Misahana ny Fanavaozana momba ny fanatanterahana ny Fikaonandoham-pirenena izay tarihin’ny FFKM.