18 Septambra 2026
Kaominina Manazary – Faritra Itasy
Tontosa soa aman-tsara ny fanentanana sy fampahafantarana ny maha-zava-dehibe ny Fikaonandoham-pirenena, ary ny andraikitry ny Fitaleavam-paritra misahana ny Fanavaozana sy ny Minisiteran’ny Fanavaozana.
Sefo fokontany 11 tamin’ireo fokontany 12 mandrafitra ny Kaominina Manazary no nandray anjara tamin’ny fotoana, izay notronin’ny Ben’ny Tanàna lefitra.
Mitohy hatrany ny ezaka fanentanana sy fampahafantarana eny ifotony, ho fanamafisana ny fandraisan’anjaran’ny rehetra amin’ny Fikaonandoham-pirenena