๐Œ๐€๐ƒ๐€๐†๐€๐’๐ˆ๐Š๐€๐‘๐€โ€“๐’๐ˆ๐๐€ : ๐ˆ๐‘๐€๐Š๐€ ๐Ž๐…๐ˆ๐’๐ˆ๐€๐‹๐˜ ๐‡๐Ž ๐…๐€๐๐€๐Œ๐€๐…๐ˆ๐’๐€๐๐€ ๐๐˜ ๐…๐ˆ๐€๐‘๐€๐‡๐€-๐Œ๐ˆ๐€๐’๐€ ๐’๐˜ ๐๐˜ ๐…๐€๐Œ๐๐€๐๐ƒ๐‘๐Ž๐’๐Ž๐€๐๐€

๐‘ณ๐’‚๐’‘๐’‚๐’’๐’Š ๐‘ด๐’‚๐’‰๐’‚๐’›๐’๐’‚๐’“๐’Š๐’—๐’
[๐‘ญ๐’‚๐’‰๐’‚-19 ๐’”๐’†๐’‘๐’•๐’‚๐’Ž๐’ƒ๐’“๐’‚ 2026]
Niverina an-tanindrazana androany, 19 Septambra 2026, ny Praiminisitra, Lehibenโ€™ny Governemanta, RAJAONARISON Mamitiana, taorianโ€™ny iraka ofisialy notanterahiny tany aminโ€™ny Repoblika Entim-bahoakanโ€™i Sina.
Tonga nitsena azy teny aminโ€™ny Seranam-piaramanidina Iraisam-pirenena Ivato ny Ambasadaoronโ€™ny Repoblika Entim-bahoakanโ€™i Sina miasa eto Madagasikara, ho mariky ny fifandraisana sy ny fiaraha-miasa eo aminโ€™ny firenena roa tonta.
Nifantoka taminโ€™ny fanamafisana ny fiaraha-miasa sy ny fitadiavana vahaolana azo ampiharina aminโ€™ny fampandrosoana anโ€™i Madagasikara ny iraka, indrindra eo aminโ€™ny sehatry ny fambolena, ny teknolojia sy ny nomerika, ny fitaterana, ny fikarohana ara-tsiansa, ny meteorolojia, ny teknolojia zanabolana ary ny fiarovana ny tontolo iainana.
Tany Hunan, nitsidika ny Acadรฉmie des sciences agricoles du Hunan ny Praiminisitra, izay nahitana sonia fifanarahana. Tao aminโ€™ny Universitรฉ du Hunan kosa dia natomboka ny Centre dโ€™รฉtude de Madagascar, ary nisy ny fihaonana taminโ€™ireo mpianatra Malagasy.
Nitsidika ny toeram-pivarotana Lianhua ihany koa ny Lehibenโ€™ny Governemanta, nahafahany nijery mivantana ny fisianโ€™ny henanโ€™ondry avy eto Madagasikara eo aminโ€™ny tsena sinoa.
Tao Zhuzhou, nandray anjara sy nandaha-teny taminโ€™ny Fihaonambe Iraisam-pirenena faha-5 momba ny fampiasana ny rafitra zanabolana BeiDou ny Praiminisitra. Nisy ihany koa ny fifanakalozana taminโ€™ireo mpandraharaha sy ny fitsidihana orinasa ary ivon-toerana misahana ny teknolojia, ny fitaterana an-dalamby, ny zanabolana ary ny meteorolojia.
Tao Shibadong, nijery akaiky ireo traikefa momba ny fampandrosoana eny ifotony sy ny fampihenana ny fahantrana ny Praiminisitra. Tao Shenzhen kosa, nifantoka taminโ€™ny sehatry ny teknolojia nomerika sy ny tontolo iainana ny fitsidihana, anisanโ€™izany ny Sangfor Technologies, Huawei Technologies ary ny Centre international des mangroves.
Ity iraka ity dia natao hanamafisana ny fiaraha-miasa sy hitadiavana fahaiza-manao, teknolojia ary traikefa azo ampifanarahana aminโ€™ny filร nโ€™i Madagasikara, ao anatinโ€™ny fanajana hatrany ny laharam-pahamehana sy ny tombontsoam-pirenena Malagasy.
Rehefa tafaverina an-tanindrazana, dia mitohy ny fanaraha-maso ireo fifanakalozana sy fiaraha-miasa nodinihina nandritra ny iraka, mba hahafahanโ€™izy ireo mivadika ho vokatra azo tsapain-tanana ho anโ€™ny fampandrosoana sy ny fiainanโ€™ny Malagasy.
๐—ก๐˜† ๐—ฆ๐—ฒ๐—ฟ๐—ฎ๐˜€๐—ฒ๐—ฟ๐—ฎ