Nisokatra androany ny fivoriana tsy ara-potoana faha-3 ho an’ireo Solombavambahoaka : volavolan-dalร na 16 ho dinihina mandritra ny 12 andro.
Nanokatra izany ny Filohan’ny Antenimierampirenena, Randrianasoloniaiko Siteny, niompana tamin’ny zava-bitan’ny Fitondrana Fanavaozana nandritra ny 10 volana.
Nanatrika ny Minisitra Misahana ny Fanavaozana, Maรฎtre Hanitra Razafimanantsoa.
Nivoitra tamin’ny fivoriana ny fanentanana ny vahoaka hisoratra anarana ho fanavaozana ny lisim-pifidianana, ary nankahery ny FFKM amin’ny Fikaonandoham-pirenena.