๐…๐€๐๐€๐•๐€๐Ž๐™๐€๐๐€ ๐๐˜ ๐…๐ˆ๐“๐€๐๐“๐€๐๐€๐-๐ƒ๐‘๐€๐‡๐€๐‘๐€๐‡๐€๐Œ-๐๐€๐๐‰๐€๐Š๐€๐๐€ : ๐€๐๐ƒ๐‘๐€๐ˆ๐Š๐ˆ๐“๐‘๐€ ๐ˆ๐Ž๐Œ๐๐Ž๐๐€๐'๐๐˜ ๐Œ๐ˆ๐๐ˆ๐’๐ˆ๐“๐„๐‘๐€ ๐‘๐„๐‡๐„๐“๐‘๐€

๐Ÿ“… ๐Ÿ๐Ÿ• ๐’๐ž๐ฉ๐ญ๐š๐ฆ๐›๐ซ๐š ๐Ÿ๐ŸŽ๐Ÿ๐Ÿ” | ๐Ÿ“ ๐€๐ง๐ค๐จ๐ซ๐จ๐ง๐๐ซ๐š๐ง๐จ
๐Ÿ”ต ๐…๐€๐๐€๐•๐€๐Ž๐™๐€๐๐€ ๐๐˜ ๐…๐ˆ๐“๐€๐๐“๐€๐๐€๐-๐ƒ๐‘๐€๐‡๐€๐‘๐€๐‡๐€๐Œ-๐๐€๐๐‰๐€๐Š๐€๐๐€ : ๐€๐๐ƒ๐‘๐€๐ˆ๐Š๐ˆ๐“๐‘๐€ ๐ˆ๐Ž๐Œ๐๐Ž๐๐€๐’๐๐˜ ๐Œ๐ˆ๐๐ˆ๐’๐ˆ๐“๐„๐‘๐€ ๐‘๐„๐‡๐„๐“๐‘๐€
Notanterahina androany ny atrikasa fifanakalozan-kevitra stratejika karakarain’ny Minisitera Misahana ny Fanavaozana, natao hampivondrona ireo Talen’ny Kabinetra sy Sekretera Jeneralin’ireo Minisitera samihafa.
๐Ÿ‘ฅ Nanokatra tamin’ny fomba ofisialy izany ny Minisitra Misahana ny Fanavaozana, Maรฎtre Hanitra Razafimanantsoa.
๐Ÿ“Œ Tsy natao ho mpanatanteraka toromarika fotsiny ireo Departemanta Minisiterialy, fa mpandray anjara mavitrika sy mpiara-tompon’andraikitra amin’ny fahombiazan’ny dingan’ny Fanavaozana โ€” ifampizarana amin’izy ireo ny vina sy ny torolalana.
๐Ÿค Ny Minisitera Misahana ny Fanavaozana dia manolotra ny rafitra, ny fomba fiasa ary ireo torolalana fototra. Etsy ankilany, ireo Departemanta kosa handray anjara amin’ny alalan’ny fanamarihana, tolo-kevitra ary fanapahan-kevitra.
๐ŸŽฏ Hangonona ireo hevitra sy fanapahan-kevitra avy amin’ireo Talen’ny Kabinetra sy Sekretera Jeneraly, ka hampidirina ao anatin’ny Anton-kevitra Nasionaly Mamaritra ny Tondrozotra ho an’ny Fanavaozana (DONOR).