Tsy teny fotsiny ny Fanavaozana fa asa mivaingana miantraika mivantana amin’ny fiainana andavanandro. Manova fomba fiasa ny Governemanta mba hamahana ny olana ara-pifamoivoizana.
Ireo fandaminana :
Navettes : efa miasa mampitohy an’Amoronankona amin’ireo toerana maro eto Antananarivo sy ny manodidina
Bus Foton : hanomboka hiasa ny 17 Septambra 2026, amin’ny 12 ora atoandro
Train Urbain : mampitohy ny Gara Soarano, Amoronankona, ary Ambohimanambola
Taxi-be (Zotra Urbaine sy Suburbaine) : nasiam-panitsiana ny lalana handehanany
Ny Fanavaozana ifotony ny fitaterana dia anisan’ny antoky ny fananganana Madagasikara vaovao.