FIDINANA IFOTONY TANY ANOSIBE AN’ALA

Notanterahina tao Anosibe An’Ala, toerana iray saro-dalana ao amin’ny Faritra Alaotra-Mangoro, ny fidinana ifotony natao ho dinika, fampahafantarana ary fanentanana, niarahana tamin’ny FFKM sy ny Fitaleavam-paritra Misahana ny Fanvaozana Alaotra Mangoro.

Nandritra izany no nampahafantarana ny andraikitra sahanin’ny Minisitera misahana ny Fanavaozana, ary nanomezana fanazavana momba ny mety ho fizotry ny fakan-kevitra ifotony, izay hotarihin’ny FFKM.

Nanotrona izany ny Lehiben’ny Distrika, ireo Ben’ny Tanàna amin’ny kaominina ambonivohitra sy ambanivohitra, ireo Lehiben’ny Sampandraharaha isan-tsokajiny, ny Tangalamena, ary ireo Lehiben’ny Fokontany.

Dingana iray hanamafisana ny fifampiresahana sy ny fandraisan’anjaran’ireo mpisehatra eny ifotony amin’ny dingan’ny Fikaonandoham-pirenena