Ministère Chargé de la Refondation
Ministère Chargé de la Refondation
Dinam-pitondrantena sy ny Tandrohasin'ny asam-panjakana : fametrahana toerana voatokana ametrahan'ny olom-pirenena fitarainana
Anisan’iraka manokana nankinina amin’ny Minisitera misahana ny Fanavaozana ny dinam-pitondrantena sy Tandrohasin’ny Asam-panjakana. Ao anatin’ny fanatanterahana izany dia napetraka ny toerana voatokana hahafahan’ny olom-pirenana mitaraina ao amin’ny Kaominina Mahavelona any Foulpointe.
Tonga any an-toerana ny iraka avy amin’ny Minisitera misahana ny Fanavaozana tarihin’ny Tale misahana ny Dinam-pitondrantena sy ny Tandrohasina, Atoa Jerry Edouard, nampahafantatra ny fisian’izany sy ny fanombohana ny fampiasana azy.
Tombontsoa ho an’ny vahoaka
Heverina fa hanamora ny fandraisan’ny vahoaka anjara sy hanatsara ny fifandraisana amin’ny olom-pirenena ny fisian’ity toerana voatokana ity.
Raha ny soso-kevitra nivoitra tamin’ny fihaonana teo amin’ny tompon’andraikitra avy ao amin’ny Fitaleavana misahana ny Dinam-pitondrantena sy ny Tandrohasin’ny Asam-panjakana sy ny Ben’ny Tanàna, Tody Andriamaharo Lalahitiana Jaona, dia tsara ny hampiasaina ny fikambanana sy ny vondron’olona eo an-toerana satria matoky azy ireo kokoa ny mponina raha oharina amin’ny biraom-panjakana.
Dingana manaraka
Hatolotra ny tompon’andraikitra ny taratasy fanaovana famakafakana ny zava-misy mba hanohizana ny fanangonana angon-drakitra.
Hitohy any amin’ny Kaominina Ambodiriana sy Ambonivohitra Toamasina ity iraka ity, izay hanomezana lanja ny asa iombonana sy ny fifanakalozan-kevitra mivantana amin’ny vahoaka.
Mikendry fitantanam-panjakana mangarahara sy akaiky kokoa ny olom-pirenena ny hetsika toy izao.