π‘­π’Šπ’Œπ’‚π’π’π’‚π’π’…π’π’‰π’‚π’Ž-π’‘π’Šπ’“π’†π’π’†π’'π’π’š 𝑻𝒂𝒏𝒐𝒓𝒂 : π’π’‚π’π’π’Žπ’† π’•π’π’Œπ’š π’π’š π‘­π’Šπ’π’π’‰π’‚π’'π’π’š 𝑭𝒂𝒏𝒂𝒗𝒂𝒐𝒛𝒂𝒏𝒂 𝒇𝒂 π’‰π’Šπ’‚π’“π’ π’π’š π’‰π’†π’—π’Šπ’•π’“π’š π’π’š 𝒕𝒂𝒏𝒐𝒓𝒂 π’Žπ’‚π’π’…π’“π’Šπ’•π’“π’‚ π’π’š π’‡π’Šπ’Œπ’‚π’π’π’‚π’π’…π’π’‰π’‚π’Ž-π’‘π’Šπ’“π’†π’π’†π’π’‚

πŸ—“οΈ 1 Aogositra 2026
πŸ“ CCI Ivato – Antananarivo
Β 
πŸ‘₯ Natolotra tamin’ny fomba ofisialy ny Filohan’ny Fanavaozana ny Repoblika, ny Kolonely MichaΓ«l Randrianirina androany teny Ivato ny Fehin-kevitra avy amin’ny Fikaonandoham-pirenen’ny Tanora. Nandray izany antontan-taratasy izany ihany koa ny Praiminisitra lehiben’ny Governemanta Atoa Mamitiana Rajaonarison, ny Minisitra misahana ny Fanavaozana, Me Hanitra Razafimanantsoa.
.
πŸ—£οΈ Nambaran’ny Filohan’ny Fanavaozana, Kolonely MichaΓ«l Randrianirina, fa ny tanora no fototry ny Fanavaozana ary nantsoiny handray anjara amin’ny fifampidinihana ara-politika ho avy. Tsy misy Fanavaozana hahomby raha tsy eo ny tanora.
πŸ›οΈ Nambaran’ny Minisitry ny Tanora sy ny Fanatanjahantena fa hisy solontenan’ny tanora 6 ao amin’ny komity teknika manaramaso ny Fikaonandoham-pirenena.
πŸ’‘ Fotokevitra lehibe nivoitra ny :
βœ… fananganana fanjakana tokana miaraka amin’ny fitsinjaram-pahefana tena izy,
βœ… na koa ny fanjakana federaly, ho isan’ireo hodinihina mandritra ny Fikaonandoham-pirenena.
🀝 πŸ‡²πŸ‡¬ Nanamafy ny fanohanany an’i Madagasikara ny Firenena Mikambana, ary nanambara kosa ireo tanora fa handray anjara mavitrika amin’ny fanorenana ny hoavin’ny firenena.