πŸ“…07-11 Septambra 2026
πŸ“FARITRA BOENY – DISTRIKA MAHAJANGA I
πŸ”΄ π…πˆπƒπˆππ€ππ€ πˆπ…πŽπ“πŽππ˜ ππ€π“π€πŽπ’𝐍𝐘 π…πˆπ“π€π‹π„π€π•π€πŒ-ππ€π‘πˆπ“π‘π€ πŒπˆπ’π€π‡π€ππ€ 𝐍𝐘 π…π€ππ€π•π€πŽπ™π€ππ€ ππŽπ„ππ˜
➑Nanatanteraka fidinana ifotony tao amin’ireo Fokontany 15 amin’ireo Fokontany 26 ao amin’ny Distrikan’i Mahajanga I ny Fitaleavam-paritra Misahana ny Fanavaozana Boeny, nandritra ity herinandro ity.
🏀Anisan’ireo Fokontany notsidihina tamin’izany ny Fokontany Antanimalandy, Tanambao Sotema, Mahatsinjo, Tsararano Ambony, Tsararano Ambany, Mahajanga Ville, Ambovalana, Mahabibokely, Tsaramandroso Ambony, Tsaramandroso Ambany, Marovato Abattoir, Ambalavola, Mahavoky Atsimo ary Mangarivotra.
➑Ity fidinana ifotony ity izay natao ho fiomanana sahady amin’ny Fikaonandoham-pirenena tarihin’ny FFKM, ary hanomezan’ny Minisiteran’ny Fanavaozana ny tantsoroka ara-teknika ary fihaonana mivantana amin’ireo sefo Fokontany mandrafitra ny Distrika Mahajanga I nahampafantarana ny asan’ny Minsitera amin’ny ankapobeany.
🀝Naneho ny fahavononany hiara-hiasa sy hanome tantsoroka amin’ny FFKM moa ireo Fokontany nanaovana ireo fitsidihana ireo.
# MCR # Fanavaozana
# Fifanajana
# Fiarahamientana
# Fanolorantena