π…π€ππŽπ…π€ππ€ππ€ πˆπ‘π„πŽ πŒππ€πŒππˆπŽπ…π€ππ€ π’π˜ πŒππ€ππ€πŒπŽπ‘π€ π‡πŽ π€πβ€™ππ˜ π…πˆπŠπ€πŽππ€ππƒπŽπ‡π€πŒ-ππˆπ‘π„ππ„ππ€

Notanterahin’ny FFKM Vakinankaratra, ny Alatsinainy 07 sy Talata 08 Septambra 2026, ny fanofanana ireo mpampiofana ho mpanamora sy mpanelanelana, ho fanomanana ny fanatanterahana ny Fikaonandoham-pirenena eny ifotony.
Β 
Nandritra ny fotoam-panokafana dia nandray anjara tamin’ny fanentanana ireo mpiofana ny Talem-paritra Misahana ny Fanavaozana Vakinankaratra, Ramatoa Tantely RAJAONARIVONY.
Β 
Nohamafisiny ny maha-zava-dehibe ny fandraisana andraikitra am-pahatsorana, am-panetren-tena ary ho tombontsoan’ny firenena sy ny taranaka fara-mandimby. Nanazava ihany koa izy ny fizotry ny Fikaonandoham-pirenena ary nanome fanampiana ara-pitaovana hoenti-manatanteraka ny fiofanana.
Β 
Nandritra ny roa andro dia nampitaina ireo paikady sy teknika enti-manatanteraka ny dinika eny ifotony, ary nohazavaina ireo lohahevitra 12 iorenan’ny Fikaonandoham-pirenena, ka lohahevitra 10 no hifantohana eto Vakinankaratra ary 2 no natokana ho an’ny sehatra nasionaly.
Β 
Ny Talata 08 Septambra kosa dia nifantohana tamin’ny fandrafetana ny tetibola sy ny drafitra fanatanterahana ny dinika ao Vakinankaratra.
Β 
Nahatratra 104 ireo mpiofana nandray anjara tamin’ity fiofanana ity, izay vonona hiantsoroka ny andraikiny amin’ny fanatanterahana ny dinika eny ifotony.