πŸ“…09 septambra 2026
πŸ“Faritra Boeny- Mahajanga
π…πšπ§π¨π¦πšπ§πšπ§πš 𝐧𝐲 𝐟𝐚𝐀𝐚𝐧-𝐀𝐞𝐯𝐒𝐭𝐫𝐚 π­πšπ«π’π‘π’π§β€™π§π² π…π…πŠπŒ : π‡π’πšπ«πš-𝐑𝐒𝐚𝐬𝐚 𝐧𝐲 π…π’π­πšπ₯𝐞𝐚𝐯𝐚𝐦-𝐩𝐚𝐫𝐒𝐭𝐫𝐚 𝐦𝐒𝐬𝐚𝐑𝐚𝐧𝐚 𝐧𝐲 π…πšπ§πšπ―πšπ¨π³πšπ§πš (𝐃𝐑𝐑) 𝐬𝐲 𝐧𝐲 π’πšπ¦π©πšπ§ππ«πšπ‘πšπ«πšπ‘πš 𝐦𝐒𝐬𝐚𝐑𝐚𝐧𝐚 𝐧𝐲 π…πšπ§πšπ―πšπ¨π³πšπ§πš 𝐞𝐨 πšπ§π’π―π¨π§β€™π§π² π…πšπ«π’π­π«πš 𝐁𝐨𝐞𝐧𝐲
🀝Hifanome tanana amin’ny fanomanana ny fakan-kevitra eny ifotony izay tarihin’ny FFKM ny Fitaleavam- paritra misahana ny Fanavaozana (DRR) sy ny Sampandraharaha misahana ny Fanavaozana eo anivon’ny Faritra Boeny.
πŸ‘₯Izany no nivoitra nandritra ny fitsidihana ara-pomba fanajana izay notanterahan’ny lehiben’ny Sampandraharaha misahana ny Fanavaozana eo anivon’ny Faritra sy ireo mpiara-miasa tao amin’ny Fitaleavam- paritra misahana ny Fanavaozana.
➑ Voaresaka nandritra izany ny tantsoroka izay ho entina amin’ny fanatanterahana izany fakan-kevitra mba hahatrarana ny tanjona napetraka.
πŸ“ŒTapaka fa hisy atrikasa izay iarahan’ny roa tonta atoato mba hisian’ny fandrindrana ny asa atao hiomanana amin’io fakan-kevitra io.