09 Septambra 2026-MAHAJANGA
Ankafaliana no nandraisan’ny Talem-paritra Misahana ny Fanavaozana Boeny Atoa Razafindrakoto Tojo sy ny mpiara-miasa aminy ireo tanora mpikambana ao amin’ny A.J.I.V.A (Association des Jeunes Intellectuels Venant d’Ankazomborona).

Nandritra ny fihaonana dia naneho ny vina sy ny fahavononany handray anjara amin’ny ezaka fanavaozana izy ireo. Nohamafisin’izy ireo ihany koa ny fahavononana hifanolo-tanana sy hiara-hiasa amin’ireo ezaka mikendry ny fampandrosoana sy ny fananganana hoavy tsaratsara kokoa ho an’ny firenena.
Ny tanora, mpiantsehatra lehibe amin’ny Fanavaozana sy ny fampandrosoana an’i Madagasikara.