MCR
Ministรจre Chargรฉ de la Refondation
MCR
Ministรจre Chargรฉ de la Refondation
๐๐๐๐๐๐ ๐๐๐๐๐๐๐๐ : ๐๐ ๐ ๐๐๐๐๐๐๐๐๐ ๐๐๐๐๐๐๐๐ ๐๐ ๐ ๐๐๐๐๐๐๐๐-๐๐๐๐ ๐๐ ๐๐ ๐ ๐๐๐๐๐๐๐๐๐๐๐๐๐๐ ๐๐๐๐ ๐๐๐๐๐๐๐๐ ๐๐๐ ๐๐๐๐๐๐โ๐๐ ๐ ๐๐๐๐๐๐๐๐๐๐๐๐๐ ๐๐ ๐๐๐๐๐๐๐-๐๐๐๐๐๐๐๐๐๐ ๐๐ ๐๐โ๐๐ ๐ ๐๐๐๐๐๐๐๐
๐ณ๐๐๐๐’๐ ๐ด๐๐๐๐๐๐๐๐๐๐
[๐ญ๐๐๐-07 septambra 2026]
Nifampidinika taminโireo ekipanโny Banky Iraisam-pirenena monina sy miasa eto Madagasikara ny Governemanta Malagasy androany, teto Mahazoarivo, momba ireo sakana sy olana manemotra ny fanatanterahana ireo tetikasa vatsianโny Banky Iraisam-pirenena.
Nifantoka taminโireo antony lehibe mahatonga ny fahatarana ny fifanakalozan-kevitra, indrindra ny fahasarotanโny dingana ara-pitantanana sy ny faharetanโny procรฉdures, izay misy fiantraikany aminโny famoaham-bola sy ny fanombohanโireo tetikasa. Anisanโny olana voaresaka ihany koa ny fahataranโny fanonerana ireo olona voakasiky ny tetikasa sy ny famotsorana ny toerana hanatanterahana ny asa.
Manana tetikasa maro mbola miandry ny fahatomombananโny dingana ahafahana mampihatra azy i Madagasikara, ka mitentina hatrany aminโny 1,085 lavitrisa dolara ny fitambaranโny tetikasa miandry ny fidirana aminโny dingana fampiharana araka ny antontan-kevitra noresahina.
Notsindrianโny Praiminisitra, Lehibenโny Governemanta, Atoa Mamitiana RAJAONARISON, fa mifanaraka aminโny foto-kevitra itondrany ny Governemanta ny ยซ cรฉlรฉritรฉ, impact et innovation ยป. Noho izany dia nomeny toromarika ireo tomponโandraikitra Malagasy voakasika mba hanafaingana ny famahana ireo sakana ara-pitantanana sy ara-teknika, mba hahafahanโireo famatsiam-bola efa misy manome vokatra mivaingana ho anโny vahoaka.
Anisanโny vahaolana dinihina ny fanatsorana ny procรฉdures, ny fanafoanana ireo dingana miverimberina, ny fanatsarana ny rafitra fandoavana ny fanonerana ary ny fametrahana fomba fiasa mazava sy haingana, sady mitandrina hatrany ny fiarovana ny zonโireo olona voakasiky ny tetikasa.
Ho anโny sehatry ny angovo, izay anisanโny laharam-pahamehana, dia nohamafisina ihany koa ny filร na hanafaingana ireo tetikasa famokarana angovo azo havaozina, hanamafisana ny tambazotra ary hanatsarana ny fahombiazanโny JIRAMA.
Ny tanjona dia mazava : tsy ny fananana famatsiam-bola fotsiny, fa ny hahatonga izany ho lasa tetikasa tanteraka, asa hita maso ary vokatra mivantana ho anโny Malagasy.
Cรฉlรฉritรฉ (expรฉditive) โข Impact โข Innovation
๐ก๐ ๐ฆ๐ฒ๐ฟ๐ฎ๐๐ฒ๐ฟ๐ฎ