πŸ“6 Septambra 2026
πŸ”΄π•π€π•π€πŠπ€ πˆπ‘π€πˆπ’π€πŒ-ππˆππŽπ€ππ€ π…π€ππŽπŠπ€π…π€ππ€ 𝐍𝐘 π…πˆπŠπ€πŽπ€ππ€ππƒπŽπ‡π€πŒ-ππ€π‘πˆπ“π‘π€ ππŽππ†πŽπ‹π€π•π€
➑Tontosa soa aman-tsara tao amin’ny FJKM Ziona Tsiroanomandidy, ny vavaka firaisam-pinoana notarihin’ny Raiamandreny FFKM Faritra Bongolava, ho fanokafana amin’ny fomba ofisialy ny Fikaonandoham-paritra.
➑Nandritra ny fotoana dia nandray fitenenana ny Talem-paritra Misahana ny Fanavaozana Bongolava Atoa Razakamanana Andriamalala, izay nanambara fa efa ela no niandrasan’ny vahoaka ity andro fanombohan’ny Fikaonandoha ity. Nanao antso avo tamin’ny vahoaka izy mba hanaraka sy hanaja tsara ny fomba fitarihan’ny FFKM amin’ny fanatanterahana ny fikaonandoha.
Efa nanentana ary mbola manohy manentana ny vahoaka ihany koa ny Fitaleavam-paritra mba handray anjara mavitrika amin’ny Fikaonan-doha, miainga eny anivon’ny Fokontany.
# MCR # Fanavaozana
# Fifanajana
# Fiarahamientana
# Fanolorantena