๐…๐€๐๐€๐๐†๐€๐๐€๐-๐“๐’๐€๐ˆ๐๐€ ๐Œ๐ˆ๐๐ˆ๐’๐ˆ๐“๐„๐‘๐€ ๐Œ๐ˆ๐’๐€๐‡๐€๐๐€ ๐๐˜ ๐…๐€๐๐€๐•๐€๐Ž๐™๐€๐๐€ ๐’๐„๐๐“๐€๐Œ๐๐‘๐€ ๐Ÿ๐ŸŽ๐Ÿ๐Ÿ”

07 Septambra 2026-Antaninarenina
ย 
Nandritra ny fananganan-tsaina fanao isam-bolana teto anivon’ny Minisitera no nanambaran’ny Minisitra Misahana ny Fanavaozana Maรฎtre Hanitra Razafimanantsoa fa mitohy hatrany ny asa ary betsaka ny asa miandry.
Ireo teboka lehibe nandritra ny lahateniny:
ย 
๐Ÿ”น 1. ASANโ€™NY FITONDRANA FANAVAOZANA
โžค Fikaonandoham-pirenena tarihinโ€™ny FFKM, miaraka aminโ€™ny fanaraha-maso sy fanohanana ara-teknika avy aminโ€™ny Minisitera Misahana ny Fanavaozana
โžค Fametrahana ny ยซย Comitรฉ Technique pour la Concertation Nationaleย ยป (CTCN) izay novolavolaina niaraka tamin’ny Primatiora izay nahitana solontena avy amin’ny Minisitera Misahana ny Fanavaozana.
โžค ยซย Consultation politiqueย ยป nataonโ€™ny Filohanโ€™ny Fanavaozana, izay fakan-kevitra politika amin’ireo antoko politika mijoro ara-dร lana, ireo fiarahamonim-pirenena ary ny tanora.
โžค Fiaraha-miasa aminโ€™ny mpiara-miombonโ€™antoka iraisam-pirenena, ahitana ny solontena avy amin’ny Vondrona Afrikanina, SADC ary ny Firenena Mikambana.
โžค Fanamafisana ny fitsinjaram-pahefana ara-bola mifanaraka amin’ny PMO/PGER aminโ€™ny alalanโ€™ny Fihaonambe momba ny Tetibola isam-paritra hijerena ireo laharam-pahamehana tena ilain’ny vahoaka toy ny jiro sy angovo, rano,fahasalamana, fanabeazana.
ย 
๐Ÿ”น 2. ASA VITAN’NY MINISITERA MISAHANA NY FANAVAOZANA (MCR)
โžค Fanatanterahana ny Programme de la Refondation ao anatinโ€™ny fe-potoana 24 volana izay efa ao anatin’ny dingana fanatanterahana izany ny Minisitera.
โžค Fanaraha-maso sy fanohanana ara-teknika ny fizotry ny Fikaonandoham-pirenena.
โžค Fanomezana torolalana sy fanaraha-maso ny Fanavaozana ny Fitantanana ny Fifidianana izay iarahana amin’ny CENI sy ny Minisiteran’ny Atitany.
โžค Fametrahana ireo Talem-paritra Misahana ny Fanavaozana Boeny,Betsiboka ary Melaky.
โžค Fiarahana miasa niarahana PNUD taminโ€™ny fanofanana sy fanohanana ireo tanora mpitarika avy amin’ny Faritra efatra nanao fiofanana teo anivon’ny Minisitera.
โžค Fanamafisana ny fiaraha-miasa aminโ€™ireo mpiara-miombonโ€™antoka iraisam-pirenena.
ย 
๐Ÿ”น 3. IREO ASA MIANDRY NY MINISITERA
โžค Fanohizana ny fametrahana ireo solontenanโ€™ny Minisitera any aminโ€™ny Faritra.
โžค Fanohizana ny fanentanana eny ifotony any amin’ny Fokontany, Kaominina , Distrika ary Faritra iarahana amin’ireo Fitaleavam-paritra.