Mandroso hatrany ny fanatanterahana ny Fikaonandoham-pirenena, dingana lehibe amin’ny Fanavaozana.
Efa hanomboka hiasa ny Komity teknika. Ny Fikaonandoham-pirenena manontolo dia iandraiketan’ny FFKM ny fitarihana azy, ary ny Minisitera misahana ny Fanavaozana kosa manohana azy ireo amin’ny lafiny teknika.
Nivoaka androany ny didim-panjakana manendry ny mpikambana, natolotry ny vondrona, fikambanana ary rafim-panjakana samihafa.
Mpikambana 35 no ao anatiny, anisan’izany ny :
Praiminisitra, lehiben’ny Governemanta Mamitiana Rajaonarison β mitarika ny Komity teknika
Tale Jeneraly misahana ny Fikaonandoham-pirenena, Ralevason Hary Tiana, sy Randriamisata Vonimalala Ony, Tale misahana ny raharaha ara-dalΓ na β misolo tena ny Minisitera misahana ny Fanavaozana
Mifarana ny andraikitr’izy ireo aorian’ny fianianana ataon’ny Filohan’ny Repoblika voafidy.