MCR
Ministรจre Chargรฉ de la Refondation
MCR
Ministรจre Chargรฉ de la Refondation
๐ ๐๐๐๐๐๐๐๐ ๐๐๐- ๐๐๐๐๐๐๐๐๐ ๐๐๐๐๐๐: ๐ ๐๐๐๐๐๐ ๐๐๐๐๐ ๐๐ ๐ ๐๐๐๐๐๐- ๐๐๐๐๐ ๐๐ ๐๐๐๐๐๐'๐๐ ๐ ๐๐๐๐๐๐-๐๐๐๐๐ ๐๐๐- ๐๐๐๐๐๐๐๐๐ ๐๐ ๐๐๐๐'๐ ๐๐๐๐๐๐๐๐๐๐๐๐ ๐๐ ๐๐๐๐๐
๐ณ๐๐๐๐’๐ ๐ด๐๐๐๐๐๐๐๐๐๐
[๐ญ๐๐๐-1 ๐๐๐๐๐๐๐๐๐ 2026]
Notanterahina androany, teto Mahazoarivo, ny famoahana ireo mpiofana nahavita fiofanana manokana momba ny fiarovana olo-manankaja ambony (protection rapprochรฉe), tao anatinโny fanamafisana ny fiaraha-miasa ara-miaramila eo aminโi Madagasikara sy ny Federasionanโi Rosia.
Nandritra ny roa volana, miisa 13 ireo nandray anjara taminโny fiofanana, notarihinโireo manampahaizana Rosiana, izay nifantoka taminโny fitifirana, taktika, vonjy taitra ara-pitsaboana, fiarovana manoloana ny loza ara-simika, fanomanana ara-tsaina ary fampiharana tranga samihafa aminโny iraka fiarovana.
Nandritra ny lahateniny, ny Praiminisitra, Lehibenโny Governemanta, dia nanamafy fa asa manana ny hasiny sy andraikitra lehibe ny fiambenana ireo olo-manankaja ambony, ka tokony hisy ny fijerena manokana sy ny fanomezana lanja ireo mpisehatra aminโizany.
Nisaotra manokana ireo mpampiofana avy aminโny Tafika Rosiana ihany koa ny Praiminisitra noho ny fizarana traikefa sy fahaiza-manao, ary nanambara fa mendrika ny hotolorana ny fankasitrahana avy aminโny Fanjakana Malagasy izy ireo noho ny anjara birikiny taminโny fanamafisana ny fahaiza-manaonโireo mpiofana.
Anisanโny nisongadina taminโity fiofanana ity ny nahazoanโny Kapiteny ANDRIAMAHAZORIVO Reynolds Sitraka Iombonana, Komandinโny Holafy Fibaikona ao anivonโny Bataillon de Sรฉcuritรฉ de la Primature (BSP), ny maripahaizana ho Mpampiofana Manampahaizana manokana aminโny fiarovana olo-manankaja ambony, ka izy irery taminโireo mpiofana 13 no nahatratra io ambaratonga io.
Maneho ny finiavanโi Madagasikara sy i Rosia hanamafy hatrany ny fiaraha-miasa aminโny fanofanana manokana ity dingana ity, ho fananana mpiasa matihanina, voafehy ary vonona hiatrika amim-pahombiazana ireo andraikitra sahaniny.
๐ก๐ ๐ฆ๐ฒ๐ฟ๐ฎ๐๐ฒ๐ฟ๐ฎ