MCR
Ministรจre Chargรฉ de la Refondation
MCR
Ministรจre Chargรฉ de la Refondation
๐ ๐๐๐๐๐๐๐๐๐ ๐๐๐๐ ๐๐๐๐๐๐๐๐ ๐๐๐๐ ๐๐ ๐๐๐๐-๐๐๐๐๐
Trano maherinโny 300 no kila taminโny hain-trano tao aminโny Fokontany Andranomavo, Kaominina Vatana, Distrikanโi Manakara, ka fianakaviana maro no very fananana sy fialofana.ย
ย
Vao nahare ny zava-nitranga ny Fitondram-panjakana dia nandray andraikitra avy hatrany, ka nitondra fanampiana ara-tsakafo, kojakoja ilaina andavanandro , tafo fanitso ho anโireo fianakaviana traboina.
ย
Tonga teny an-toerana ireo solontenanโny Governemanta, notarihinโny Minisitry ny Mponina sy Firaisankina, Ramatoa RAKOTONIAINA Voahanginirina Cathia, ny Minisitra Misahana ny Fanavaozana Maรฎtre Hanitra Razafimananantsoa niaraka taminโireo manampahefana tao an-toerana, naneho firaisankina sy fiaraha-miory aminโireo niharam-boina.
ย
Ity fandraisana andraikitra ity dia maneho ny fahavononanโny Fanjakana hijoro hatrany eo anilanโny vahoaka, indrindra aminโny fotoan-tsarotra tahaka izao.