πŸ“ Faritra Ihorombe – Ihosy
β™Ώ 𝐍𝐞𝐧𝐭𝐚𝐧𝐒𝐧𝐚 𝐑𝐚𝐧𝐝𝐫𝐚𝐲 𝐚𝐧𝐣𝐚𝐫𝐚 𝐚𝐦𝐒𝐧’𝐧𝐲 π…π’π€πšπ¨π§πšπ§ππ¨π‘πšπ¦-𝐩𝐒𝐫𝐞𝐧𝐞𝐧𝐚 𝐒𝐫𝐞𝐨 𝐦𝐚𝐧𝐚𝐧𝐚 πŸπšπ‘πšπ¬πžπ¦π›πšπ§πšπ§πš
πŸ“ Dingana iray lehibe ao anatin’ny fanavaozana ny Repoblika ny Fikaonandoham-pirenena, izay hanangonana ny hevitry ny vahoaka tsy an-kanavaka amin’ny fomba mampiaty. Anisan’ny voakasika ao anatin’izany ireo olona manana fahasembanana.
πŸ—£οΈ Nandritra ny atrikasa tao amin’ny Faritra Ihorombe, izay nanorenana ny Vondrona ara-panatanjahantena ho an’ny Olona Manana Fahasembanana tao amin’ny Faritra, no nanentanan’ny Talem-paritra misahana ny Fanavaozana, Randriampilamanana Rostand, azy ireo mba handray anjara amin’ny Fikaonandoha.
Nentanina ihany koa ny mpandray anjara hafa ho mpitondra hafatry ny Fanavaozana.
βœ… Tao aorian’ny fanentanana, dia naneho ny fahavononany ireo mpanatrika handray anjara amin’ny Fikaonandoham-pirenena, izay hotanterahina tsy ho ela eo ambany fitarihan’ny FFKM.