𝐈𝐫𝐚𝐀𝐚 𝐚𝐯𝐲 πšπ¦π’π§β€™π§π² πŽπˆπ… : 𝐦𝐚𝐧𝐚𝐦𝐚𝐟𝐲 𝐧𝐲 𝐟𝐚𝐧𝐨𝐑𝐚𝐧𝐚𝐧𝐲 𝐧𝐲 𝐚𝐬𝐚 𝐟𝐚𝐧𝐚𝐯𝐚𝐨𝐳𝐚𝐧𝐚

πŸ—“ 01 Septambra 2026
πŸ“ Antaninarenina
🀝 𝐈𝐫𝐚𝐀𝐚 𝐚𝐯𝐲 πšπ¦π’π§β€™π§π² πŽπˆπ… : 𝐦𝐚𝐧𝐚𝐦𝐚𝐟𝐲 𝐧𝐲 𝐟𝐚𝐧𝐨𝐑𝐚𝐧𝐚𝐧𝐲 𝐧𝐲 𝐚𝐬𝐚 𝐟𝐚𝐧𝐚𝐯𝐚𝐨𝐳𝐚𝐧𝐚
Nihaona tamin’ny π‘΄π’Šπ’π’Šπ’”π’Šπ’•π’“π’‚ π’Žπ’Šπ’”π’‚π’‰π’‚π’π’‚ π’π’š 𝑭𝒂𝒏𝒂𝒗𝒂𝒐𝒛𝒂𝒏𝒂, 𝑴𝒆 π‘―π’‚π’π’Šπ’•π’“π’‚ π‘Ήπ’‚π’›π’‚π’‡π’Šπ’Žπ’‚π’π’‚π’π’•π’”π’π’‚, ireo solontenan’ny Fikambanana Iraisam-pirenena ho an’ny Frankofonia (OIF), notarihan’𝑨𝒕𝒐𝒂 𝑻𝑯𝑰𝑬𝑹𝑡𝑢 𝑩𝑨 𝑫𝑬𝑴𝑩𝑨 𝑫𝑰𝑨𝑳𝑳𝑢, manam-pahaizana manokana momba ny fifanarahana, ny fanelanelanana iraisam-pirenena ary ny fampihavanana.
πŸ“Œ Tafiditra ao anatin’ny iraka fahaiza-manao tanterahin’ny OIF eto Madagasikara izao fihaonana izao, izay mifantoka indrindra amin’ny Fikaonandoham-pirenena.
πŸ—£οΈ Nampahafantarin’ny solontenan’ny OIF ny Minisitra sy ny mpiara-miasa aminy ireo votoatin-kevitra sy lesona lehibe nivoitra nandritra ny fihaonana niarahana tamin’ireo mpisehatra mandray anjara amin’ny Fikaonandoham-pirenena.
πŸ‡²πŸ‡¬ Tsiahivina moa fa ny Minisitera misahana ny Fanavaozana dia mitantsoroka ara-teknika sy ara-kevitra ny FFKM amin’ny fanatanterahana ny fikaonandoham-pirenena.
🀝 Nanamafy ihany koa ny OIF fa hitohy ny fanohanana omeny, ary vonona hatrany ny hiara-dΓ lana amin’ny MCR amin’ny fanatanterahana ny Fanavaozana.