๐…๐€๐๐Ž๐‹๐Ž๐‘๐€๐๐€ ๐‹๐€๐Š๐€๐๐€ ๐‡๐Ž ๐€๐โ€™๐๐˜ ๐๐๐†๐‘๐‚ ๐‡๐Ž ๐…๐€๐๐€๐Œ๐€๐…๐ˆ๐’๐€๐๐€ ๐๐˜ ๐…๐€๐Œ๐Ž๐๐‰๐„๐๐€ ๐€๐ˆ๐๐€ ๐Œ๐€๐๐Ž๐‹๐Ž๐€๐๐€ ๐๐˜ ๐‹๐Ž๐™๐€ ๐€๐‘๐€-๐๐Ž๐€๐‘๐˜
๐‘ณ๐’‚๐’‘๐’‚๐’’๐’Š ๐‘ด๐’‚๐’‰๐’‚๐’›๐’๐’‚๐’“๐’Š๐’—๐’
[๐‘ญ๐’‚๐’‰๐’‚-31 ๐‘Ž๐‘œ๐‘”๐‘œ๐‘ ๐‘–๐‘ก๐‘Ÿ๐‘Ž 2026]
Notanterahina tao Ampefy ny lanonana fanolorana ireo lakana vaovao ho anโ€™ny Birao Nasionaly Fandrindrana ny Fitantanana ny Loza sy ny Voa (BNGRC), novidianโ€™ny Fonds dโ€™Intervention pour le Dรฉveloppement (FID) taminโ€™ny famatsiam-bolanโ€™ny Banky Iraisam-pirenena, ao anatinโ€™ny tetikasa CERP โ€“ Projet de rรฉponse dโ€™urgence contingente.
Nandritra izany dia nanolotra fisaorana manokana ho anโ€™ny Banky Iraisam-pirenena ny Praiminisitra, Lehibenโ€™ny Governemanta, noho ny fanohanana sy ny fiaraha-miasa aminโ€™ny fanamafisana ny fitaovana enti-miatrika ny loza voajanahary. Notsindriany anefa fa raha mikasika ny famonjena ainโ€™ny vahoaka, dia andraikitra fototra tokony hiantohanโ€™ny Governemanta Malagasy hatrany izany.
Ireo fitaovana ireo dia natao hanamafisana ny fahafahanโ€™ny BNGRC mamaly haingana ireo toe-javatra maika, indrindra aminโ€™ny fotoananโ€™ny tondra-drano sy ny loza mitatao eny aminโ€™ny faritra marefo.
Tafiditra ao anatinโ€™ny fanomezana ny:
Lakana haingam-pandeha XMC 24 miisa 13, natao ho anโ€™ny asa famonjena sy fidirana haingana aminโ€™ireo faritra sarotra aleha;
Lakana ARGOS 420 miisa 5, natao hanamora ny fitaterana sy ny asa fandraisana andraikitra mandritra ny vonjy taitra.
Ity fanamafisana ny fitaovana ity dia dingana lehibe aminโ€™ny fanatsarana ny rafitra nasionaly misahana ny fisorohana, ny fiatrehana ary ny fitantanana ireo loza voajanahary, ho fiarovana ny aina sy ny fanananโ€™ny vahoaka Malagasy.
๐—ก๐˜† ๐—ฆ๐—ฒ๐—ฟ๐—ฎ๐˜€๐—ฒ๐—ฟ๐—ฎ