π‡π’πŸπšπ§π¨π¦πž π­πšΜ€π§πšπ§πš 𝐚𝐦𝐒𝐧'𝐧𝐲 π…π’π€πšπ¨π§πšπ§ππ¨π‘πšπ¦-𝐩𝐒𝐫𝐞𝐧𝐞𝐧𝐚 𝐧𝐲 𝐁𝐞𝐧'𝐧𝐲 π“πšπ§πšΜ€π§πš 𝐬𝐲 𝐧𝐲 π“πšπ₯𝐞𝐦-𝐩𝐚𝐫𝐒𝐭𝐫𝐚 𝐦𝐒𝐬𝐚𝐑𝐚𝐧𝐚 𝐧𝐲 π…πšπ§πšπ―πšπ¨π³πšπ§πš

πŸ“ Faritra Atsimo Atsinanana
Β 
πŸ“ Nihaona tamin’ireo Ben’ny TanΓ na avy any Befotaka Atsimo, tao amin’ny birao fiasany tao Farafangana, ny Talem-paritra misahana ny Fanavaozana ao Atsimo Atsinanana, Atoa Iotokarozy. Ny fanamafisana ny fiaraha-miasa eo amin’izy ireo no vontoatin’ny fihaonana.
πŸ’¬ Nahafahan’ireo Ben’ny TanΓ na ihany koa nitondra fitarainana ny amin’ny olana lalovan’izy ireo eo amin’ny resaka tsy fandriampahalemana. Nisy noho izany ny fizarana laharan’ny finday mba handrindrana ny fiaraha-miasa.
⚠️ Anisan’ny olana lehibe any Befotaka Atsimo:
ny fitokana-monin’ireo kaominina sasany, satria tsy misy arabe mampifandray azy ireo amin’ny renivohitry ny distrika ;
ny tsy fisian’ny « Tambajotram-pifandraisana an-taribyΒ Β».
🎯 Noho izany, dia tsy maintsy hifanome tΓ nana ireo Ben’ny TanΓ na sy ny Talem-paritra mandritra ny Fikaonandoham-pirenena, izay ho tanterahina eo ambany fitarihan’ny FFKM.