𝐅𝐄𝐒𝐓𝐈𝐕𝐀𝐋 𝐁𝐀𝐑𝐄𝐀 – 𝐌𝐄𝐋𝐀𝐊𝐘

26–30 Aogositra 2026

Nandray anjara tamin’ny Festival Barea izay natao tao Maintirano ny 26 ka hatramin’ny 30 Aogositra 2026 ny ekipan’ny Fitaleavam-paritra Misahana ny Fanavaozana (DRR) Melaky.
 
Tonga nanatevina sy nanohana ihany koa ny hetsika ny iraka avy amin’ny Fandrindrana Foiben’ny Minisitera(Coordination Générale), ka niara-nisalahy tamin’ny ekipan’ny DRR Melaky izay notarihan’ny Talem-paritra Atoa Randriamampionona Roger .
 
Fotoana iray izay nanamafisana ny firaisankina, ny fiaraha-mientana ary ny toe-tsaina maha-olom-pirenena.