๐๐ˆ๐“๐Ž๐Š๐€๐๐€ ๐๐˜ ๐€๐’๐€ ๐…๐€๐๐€๐‘๐„๐๐€๐๐€ ๐’๐˜ ๐…๐€๐๐€๐•๐€๐Ž๐™๐€๐๐€ ๐๐˜ ๐’๐„๐‘๐€๐๐€๐-๐“๐’๐€๐Œ๐๐Ž๐โ€™๐ˆ ๐Œ๐€๐‡๐€๐‰๐€๐๐†๐€ ๐๐˜ ๐…๐ˆ๐‹๐Ž๐‡๐€๐โ€™๐๐˜ ๐…๐€๐๐€๐•๐€๐Ž๐™๐€๐๐€
๐‘ณ๐’‚๐’‘๐’‚๐’’๐’Š ๐‘ด๐’‚๐’‰๐’‚๐’›๐’๐’‚๐’“๐’Š๐’—๐’
[๐‘ญ๐’‚๐’‰๐’‚-29 ๐’‚๐’๐’ˆ๐’๐’”๐’Š๐’•๐’“๐’‚ 2026]
Notokananโ€™ny Filohanโ€™ny Fanavaozana androany tao Mahajanga ireo asa fanarenana sy fanavaozana lehibe natao tao aminโ€™ny Seranan-tsambonโ€™i Mahajanga, ka nanotrona izany ny Praiminisitra, Lehibenโ€™ny Governemanta, niaraka taminโ€™ireo tomponโ€™andraiki-panjakana sy ireo mpiara-miombonโ€™antoka.
Nandritra ny lahateniny dia nanasongadina ny Filohanโ€™ny Fanavaozana fa fotodrafitrasa stratejika ho anโ€™ny toekarena sy ny fampandrosoana ny seranan-tsambo, satria mamelona fianakaviana maro, manohana ny varotra sy ny jono ary mampifandray anโ€™i Mahajanga aminโ€™ireo faritra maro eto Madagasikara sy aminโ€™ny firenena hafa. Manana toerana lehibe eo aminโ€™ny rafitra ara-seranan-tsambo nasionaly tokoa i Mahajanga, indrindra ho anโ€™ny faritra Boeny sy ny morontsiraka avaratra-andrefanโ€™ny Nosy.
Mitentina 43,26 miliara Ariary mahery ireo asa, vatsianโ€™ny Banky Iraisam-pirenena vola, ary naharitra 15 volana sy 2 andro ny fanatanterahana azy. Tafiditra tao anatinโ€™izany ny fanamafisana ny quais Coste sy Vuillemin, ny fanamboarana sehatra manodidina ny 9 650 mยฒ aminโ€™ny pavรฉs autobloquants sy 2 200 mยฒ aminโ€™ny bรฉton armรฉ, ny fanavaozana ny magasin Vuillemin, ny fananganana efitra fanaraha-maso vaovao ary ny fanamafisana ny fiarovana araka ny fenitra ISPS.
Ireo fanavaozana ireo dia natao hanatsarana ny fahafahanโ€™ny seranan-tsambo mandray sy mikirakira entana, ny fiarovana ary ny faharetanโ€™ny fotodrafitrasa, sady niantohana hatrany ny fitohizanโ€™ny asa an-dranomasina nandritra ny fotoana nanatanterahana ny asa.
Zava-dehibe ho anโ€™ny fampandrosoana anโ€™i Boeny izany, faritra izay isanโ€™ny ivonโ€™ny famokarana ara-pambolena lehibe eto Madagasikara ary voalohany aminโ€™ny famokarana makamba. Ny fanamafisana ny Seranan-tsambonโ€™i Mahajanga dia manampy aminโ€™ny fanatsarana ny fifanakalozana ara-barotra, ny fifandraisana an-dranomasina ary ny faharetanโ€™ny toekarem-paritra sy nasionaly.
๐—ก๐˜† ๐—ฆ๐—ฒ๐—ฟ๐—ฎ๐˜€๐—ฒ๐—ฟ๐—ฎ