π…π’π€πšπ¨π§πšπ§ππ¨π‘πšπ§'𝐧𝐲 π…π’πšπ«πšπ‘πšπ¦π¨π§π’π¦-𝐩𝐒𝐫𝐞𝐧𝐞𝐧𝐚 : 𝐦𝐩𝐚𝐧𝐝𝐫𝐚𝐲 𝐚𝐧𝐣𝐚𝐫𝐚 𝐦𝐒𝐒𝐬𝐚 πŸ”πŸŽ 𝐧𝐨 𝐭𝐨𝐧𝐠𝐚

πŸ“ Faritra Anosy – Taolagnaro
πŸ“… Notanterahina tany Taolagnaro, ny 05 hatramin’ny 07 Aogositra, ny Fikaonandoham-pirenena ny Fiarahamonim-pirenena, izay nahitana mpandray anjara miisa 60 avy amin’ny distrika telo mandrafitra ny faritra Anosy : Faradofay, Amboasary Atsimo ary Betroka.
πŸŽ™οΈ Nanokatra sy namarana ny Fikaonandoha amin’ny fomba ofisialy ny π“πšπ₯𝐞𝐦-𝐩𝐚𝐫𝐒𝐭𝐫𝐚 𝐦𝐒𝐬𝐚𝐑𝐚𝐧𝐚 𝐧𝐲 π…πšπ§πšπ―πšπ¨π³πšπ§πš, π€π­π¨πš π‹π’π―πžπ«πš 𝐁𝐞𝐯𝐚𝐳𝐚𝐑𝐚, izay nanentana ny rehetra mba handray anjara mavitrika ka haneho ny maharary ny distrika izay niaviany avy.
πŸ’¬ Tsy tolo-kevitra efa voahomana mialoha no niarahan’ireo mpandray anjara namaha olana, fa vokatry ny famoahana ny olana isaky ny distrika. Ary avy amin’izany no namoahana ny vinan’ny Faritra.
βœ… Mba hiarovana sy hanohanana izany vina izany, dia nifidy olona iray hisolontena ny faritra Anosy ireo mpandray anjara, hiatrika ny Fikaonandoham-pirenena ny Fiarahamonim-pirenena, hotanterahina amin’ny volana Septambra 2026 ho avy izao.