π…π€ππŽπ‹πŽπ‘π€ππ€ π’π˜ π…π€πŒπ„π“π‘π€π‡π€ππ€ 𝐍𝐘 π“π€π‹π„πŒ-ππ€π‘πˆπ“π‘π˜ 𝐍𝐘 π“π„π“πˆππŽπ‹π€ π’π˜ π…πˆπ“π€ππ“π€ππ€πŒ-ππŽπ‹π€

πŸ“FARITRA VATOVAVY
πŸ—“οΈ 25–26 Aogositra 2026
Β 
➑Notanterahina ny 25 Aogositra 2026 tao amin’ny Faritra Vatovavy ny fanolorana sy fametrahana tamin’ny fomba ofisialy ny Talem-paritra vaovao misahana ny Tetibola sy Fitantanam-bola, araka ny fanapahan-kevitry ny Filankevitry ny Minisitra.
Nanatrika izany lanonana izany ireo tompon’andraikitra sy manam-pahefana isan-tokony, niaraka tamin’ny Tale Jeneralin’ny Tetibola sy Fitantanam-bola avy amin’ny foibe.
➑Ny 26 Aogositra kosa dia notanterahina ny Fihaonambe momba ny Tetibola, izay nahafahana nanangona ny hevitra sy ny filΓ n’ireo Kaominina ambanivohitra sy an-tanΓ n-dehibe ary ireo sampandraharaham-panjakana ao amin’ny Faritra.
Anisany nanatrika ireo hetsika ireo ny ekipan’ny Fitaleavam-paritra Misahana ny Fanavaozana Vatovavy.
# MCR# Fanavaozana
# Fifanajana
# Fiarahamientana
# Fanolorantena