Alakamisy 27 Aogositra 2026
πŸ“ Sambava – Faritra SAVA
πŸ”΅π…π€π‘πˆπ“π‘π€ 𝐒𝐀𝐕𝐀: π“π€π…π€ππ„π“π‘π€πŠπ€ 𝐍𝐘 𝐓𝐀𝐋𝐄𝐍’𝐍𝐘 π’π€πŒππ€π-πƒπ‘π€π‡π€π‘π€π‡π€πŒ-ππ€ππ‰π€πŠπ€ππ€ πŒπˆπ’π€π‡π€ππ€ 𝐍𝐘 π“π„π“πˆππŽπ‹π€ π’π˜ 𝐍𝐘 π…πˆπ“π€ππ“π€ππ€πŒ-ππŽπ‹π€
➑Notanterahina tao amin’ny HΓ΄tel des Finances Besopaka, Sambava, ny lanonana fametrahana tamin’ny fomba ofisialy ny Talen’ny Sampan-draharaham-paritra misahana ny Tetibola sy ny Fitantanam-bola (DRBF) SAVA, niaraka tamin’ny fametrahana ny Tale vaovao, Atoa DOKOLAHY Randrianirina Victor, araka ny Didim-panjakana laharana faha-2026-1918 tamin’ny 04 Aogositra 2026.
➑Ny lanonana dia notarihin’ny Tale Jeneralin’ny Tetibola sy ny Fitantanam-bola, Atoa BOTOTSARA Mbolatiana Lucien James, izay nisolo tena ny Minisitra tompon’andraikitra. Ny Prefen’i Sambava, Atoa RABEMAMORY Adel Bienheureux, kosa no nametraka tamin’ny fomba ofisialy ny Tale vaovao. Anisany nanatrika izany ny Talem-paritra Misahana ny Fanavaozana SAVA Atoa Randrianasolo Eliahevitra.
➑ Dingana lehibe amin’ny fanamafisana ny fitantanana ny tetibola sy ny volam-panjakana ao amin’ny Faritra SAVA izao fametrahana tompon’andraikim-panjakana izao.
# MCR # Fanavaozana
# Fifanajana
# Fiarahamientana
# Fanolorantena