MCR
Ministère Chargé de la Refondation
MCR
Ministère Chargé de la Refondation
ππ¨π₯π’ππ’π€ππ¦-π©ππ§π£ππ€ππ§π π‘π¨ ππ§βπ§π² π ππ§ππ―ππ¨π³ππ§π: πππ§π¨π«π π¦π©π’πππ«π’π€π πππππ«π π§ππ§ππ¨ πππ¦π©π’π‘ππ«ππ§π ππππ¨ ππ¦π’π§βπ§π² ππ’π§π’π¬π’πππ«π π¦π’π¬ππ‘ππ§π π§π² π ππ§ππ―ππ¨π³ππ§π
28 Aogositra 2026
Antaninarenina
Β
Ho fanohanana ny tanora malagasy handray anjara bebe kokoa aminβny fampandrosoana ny firenena dia nahazo fiofanana fanamafisana traikefa momba ny politikam-panjakana ao anatinβny Fanavaozana (Renforcement de capacitΓ©s des jeunes leaders sur la politique publique dans le cadre de la Refondation) avy aminβny Fandaharanasanβny Firenena Mikambana ho anβny Fampandrosoana (PNUD) ireo tanora mpitarika misolo tena ny faritra 24.
Β
Tao aorianβny fampiofanana noraisinβizy ireo dia nanao fampiharana teny anivonβny minisitera izy ireo ka solontena 4 avy aminβny faritra Matsiatra Ambony, Androy, Analanjirofo sy Alaotra Mangoro no nisafidy ny Minisitera misahana ny Fanavaozana.
Β
Hoy azy efatra mianadahy dia nahafahanβizy ireo nahalala bebe kokoa ny sehatry ny asam-panjakana sy ny iraka samihafa iantsorohanβny Minisitera misahana ny Fanavaozana ny fiaraha-miasa fa indrindra koa nahatsapana fa misy mihaino ny hetahetanβny tanora ary afaka avadika ho politika sy asa ho aminβny fampandrosoana izany.
Β
Fantatra hatrany koa hoy izy ireo ny tena hevitry ny hoe Fanavaozana tiana apetraka eto aminβny firenena ary nanamafy ny fahavononanβizy ireo hitondra ny anjara birikiny aminβizany ireto tanora mpitarika ireto. Aorianβizao, handrafitra politikam-pandrosoana ireto tanora mpitarika ireto ho entiny any aminβny faritra nihaviany avy.
Β
Izany dia miainga aminβny olana iainanβny tanora eny ifotony ary hitondranβizy ireo vahaolana. Hitantsoroka azy ireo aminβny fanomanana izany antontan-kevitra izany ny tomponβandraikitra eo anivonβny Minisitera misahana ny Fanavaozana.