𝐅𝐈𝐓𝐒𝐈𝐃𝐈𝐇𝐀𝐍𝐀 𝐒𝐘 𝐅𝐈𝐅𝐀𝐍𝐀𝐊𝐀𝐋𝐎𝐙𝐀𝐍𝐀 𝐌𝐎𝐌𝐁𝐀 𝐍𝐘 𝐅𝐈𝐅𝐈𝐃𝐈𝐀𝐍𝐀𝐍𝐀 𝐒𝐘 𝐍𝐘 𝐅𝐀𝐍𝐀𝐕𝐀𝐎𝐙𝐀𝐍𝐀

 25 Aogositra 2026-Antaninarenina
 
Nisy ny fitsidihana sy fifanakalozana niarahana tamin-dRtoa Anja Heuft, Mpandrindra eo anivon’ny GIZ, misahana ny fanohanana ny fitantanana ifotony, ny fiarahamonim-pirenena ary ny fitsinjaram-pahefana sy ny ekipan’ny Minisitera Misahana ny Fanavaozana notarihin’ny Tale jeneralin’ny Fandrindrana ny Fanavaozana Atoa Ralevason Hary Tiana.
 
Nifantoka tamin’ny raharaham-pifidianana ao anatin’ny dingan’ny Fanavaozana ny dinika sy fifampizarana traikefa momba ny rafitra Federaly ny fihaonana, ka noresahina ny mety ho fanohanana ara-teknika sy fifanakalozana traikefa avy amin’ny Firenena Alemaina 🇩🇪 ho fanohanana izany dingana izany.
 
Nohazavaina fa efa nisy ihany koa ny toromarika avy amin’ny Masoivoho Alemaina mba hanohanana ny dingan’ny Fanavaozana sy ny fifidianana eto Madagasikara 🇲🇬.
Noresahana ihany koa ny rafitra federaly sy ny fitantanana ifotony, ka hisy manam-pahaizana Allemand roa ho tonga eto Madagasikara manomboka ny 25 Septambra 2026, hizara traikefa sy fifanakalozana momba ny rafitra federaly.
 
Tanjona: Fifanakalozana traikefa, fiaraha-miasa ary fahaiza-manao avy amin’ny Firenena Alemaina ho fanohanana ny Fanavaozana