๐…๐ˆ๐‡๐€๐Ž๐๐€๐๐€ ๐’๐˜ ๐…๐€๐๐ƒ๐‘๐ˆ๐๐ƒ๐‘๐€๐๐€ ๐๐˜ ๐€๐’๐€ ๐‡๐Ž ๐€๐โ€™๐๐˜ ๐…๐€๐๐€๐•๐€๐Ž๐™๐€๐๐€

Tonga nitsidika ny Fitaleavam-paritry ny Fanavaozana Analanjirofo ny 27 Aogositra 2026 ny Tale Jeneralinโ€™ny Fikaonandoham-pirenena Atoa Rahajary Tsialoninarivo sy ny Tale misahana ny Fanohanana sy Fanaraha-maso ny Fikaonandoham-pirenena Atoa Rakotomalala Jeddy avy aminโ€™ny Minisitera Misahana Fanavaozana.
ย 
Nisy ny fihaonana sy fifanakalozan-kevitra taminโ€™ireo mpiara-miasa ao aminโ€™ny Fitaleavam-paritra, ka nohazavaina taminโ€™ny ankapobeny ny firafitry ny Minisiteranโ€™ny Fanavaozana sy ny andraikitry ny sampan-draharaha tsirairay.
ย 
Nohamafisinโ€™ny Tale Jeneralinโ€™ny Fikaonandoham-pirenena ihany koa fa, ankoatra ny Fikaonandoham-pirenena izay tarihinโ€™ny FFKM, dia manana andraikitra lehibe hafa ny Minisiteranโ€™ny Fanavaozana, toy ny:
ย 
Fametrahana ny Dina ara-mpitondran-tena sy tandrohasina (Pacte moral et รฉthique) ;
Fandrefesana ny fahafaham-ponโ€™ny vahoaka aminโ€™ny Fanjakana sy ny asa sahaniny (redevabilitรฉ publique) ;
ย 
Fampiroboroboana sy fanajana ny zo maha-olona (droits humains).
ย 
Zava-dehibe ho anโ€™ny Fitaleavam-paritra Misahana ny Fanavaozana Analanjirofo izao fihaonana mivantana izao, satria ahafahana mifampiresaka aminโ€™ny tomponโ€™andraikitra, mifanakalo vaovao ary manamafy ny fiaraha-mientana ho aminโ€™ny fanatanterahana ny Fanavaozana.