𝐍𝐒𝐭𝐨𝐑𝐲 𝐭𝐚𝐧𝐲 π•πšπ―πšπ­πžπ§π’π§πš 𝐧𝐲 𝐟𝐚𝐧𝐞𝐧𝐭𝐚𝐧𝐚𝐧𝐚 𝐒𝐫𝐞𝐨 𝐁𝐞𝐧'𝐧𝐲 π“πšπ§πšΜ€π§πš π¦π¨π¦π›πš 𝐧𝐲 π…πšπ€πšπ§-𝐀𝐞𝐯𝐒𝐭𝐫𝐚 𝐑𝐨 𝐚𝐧'𝐧𝐲 π…π’π€πšπ¨π§πšπ§ππ¨π‘πšπ¦-𝐩𝐒𝐫𝐞𝐧𝐞𝐧𝐚

πŸ“ Faritra Analanjirofo – Distrika Vavatenina
πŸ—“οΈ 07 Aogositra 2026
Β 
πŸ“ Tany amin’ny distrikan’i Vavatenina indray no nanohy ny fidinana ifotony ny Talem-paritra misahana ny Fanavaozana Analanjirofo, Andrianandraina Aldine, sy ireo mpiara-miasa aminy ny zoma 07 Aogositra 2026 lasa teo.
Izany dia tafiditra hatrany ao anatin’ny fampahafantarana sy fanentanana ireo Ben’ny TanΓ na momba ny π…π’π€πšπ¨π§πšπ§ππ¨π‘πšπ¦-𝐩𝐒𝐫𝐞𝐧𝐞𝐧𝐚 izay tarihin’ny FFKM.
🏫 Tao amin’ny EPP Ankazomianko Vavatenina no nanatanterahana izany, ary tonga nanotrona ihany koa ny Lehiben’ny Distrika sy ireo olona manam-pahefana sivily sy miaramila tao an-toerana.
🀝 Tao anatin’ny fihaonana dia efa naneho fahavononana ny Lehiben’ny Distrika sy ireo Ben’ny TanΓ na ny hanentana ireo vahoaka eny ifotony mba handraisan’izy ireo anjara amin’ity dingana lehibe ho an’ny firenena ity.
πŸ‘€Mialoha ny fihaonana tamin’ireo Ben’ny TanΓ na ireo, dia nanatanteraka fitsidihana ara-pombam-panajana ny Lehiben’ny Distrikan’i Vavatenina ny Talem-paritry Fanavaozana Analanjirofo.