MCR
Ministรจre Chargรฉ de la Refondation
MCR
Ministรจre Chargรฉ de la Refondation
๐๐๐๐๐๐๐๐๐๐๐๐ ๐๐๐๐๐๐๐ ๐ ๐๐ ๐๐๐๐๐๐๐ ๐๐ ๐๐๐๐โ๐๐ ๐๐๐๐๐๐๐ ๐๐๐๐๐๐๐-๐๐๐๐๐๐๐๐ ๐๐๐๐๐ ๐๐ ๐๐๐๐๐
Notanterahina androany, **27 aogositra 2026**, tao aminโny Hรดtel Colbert, Antananarivo, ny **fanaovanโi Madagasikara sonia ny Accord International sur le Cacao 2026**, teo anatrehanโAtoa **Michel ARRION**, Tale Mpanatanteraka ao aminโny Organisation Internationale du Cacao (ICCO).
Nandritra izany no nanamafisanโny **Praiminisitra, Lehibenโny Governemanta, Mamitiana Rajaonarison**, fa dingana stratejika ho anโi Madagasikara ity fifanarahana ity. Marihina fa **100%-nโny kakao malagasy aondrana no voasokajy ho โcacao fin ou aromatiqueโ**, ka i Madagasikara no **firenena afrikanina tokana** manana izany fankatoavana manokana izany.
Nitana anjara toerana lehibe taminโny fanatanterahana izao dingana izao ny **Minisiteranโny Varotra sy ny Fanjifana (MINCC)**, izay nikarakara ny lanonana niaraka taminโny **Conseil National du Cacao (CNC)**. Tafiditra ao anatinโny ezaka entinโny MINCC ny fanamafisana ny fifaninanana sy ny faharetanโny filiรจre cacao, ny fanatsarana ny kalitao sy ny traรงabilitรฉ, ny fampiroboroboana ny fanodinana eto an-toerana ary ny famoronana sanda bebe kokoa ho tombontsoanโireo mpamokatra sy ny toekarem-pirenena.
Aminโny alalanโity fifanarahana ity dia manamafy ny safidiny i Madagasikara : **hampiroborobo ny kalitaonโny vokatra malagasy, hiaro ny mpamokatra ary hanamafy ny diplaomasia ara-toekarena eo aminโny sehatra iraisam-pirenena.**
๐ก๐ ๐ฆ๐ฒ๐ฟ๐ฎ๐๐ฒ๐ฟ๐ฎ