Asa fanentanana momba ny Fikaonandoham-pirenena nataon'i Talem-paritra misahana ny Fanavaozana Vakinankaratra

📍 Tatamarina, Distrikan’i Betafo, Faritra Vakinankaratra.
🟢Araka ny iraka napetraky ny Ministera misahana ny Fanavaozana, dia nanohy ny asa fanentanana momba ny Fikaonandoham-pirenena ny Talem-paritra misahana ny Fanavaozana Vakinankaratra, Ramatoa RAJAONARIVONY Tantely, ny 05 ka hatramin’ny 08 Aogositra 2026, tao Tatamarina, Distrikan’i Betafo, Faritra Vakinankaratra.
👥 Tamin’ity hetsika ity dia tombanana ho 20 000 ireo tanora kristiana mpizaika tonga avy amin’ny toerana maro manerana an’i Vakinankaratra.
🤝 Nomena sehatra manokana ny Fitaleavam-paritra misahana ny Fanavaozana Vakinankaratra hanazavana sy hanentanana ireo tanora momba ny tanjona sy ny lanjan’ny Fikaonandoham-pirenena, ary ny maha-zava-dehibe ny fandraisan’anjaran’ny tanora amin’izany.
🎤 Nandritra ny famelabelarana dia nohazavaina ny tanjon’ny Fikaonandoham-pirenena, ny maha-zava-dehibe ny fandraisan’anjaran’ny olom-pirenena rehetra, indrindra ny tanora, ary ny fanomezan-danja ny feon’ny mponina hatrany ifotony amin’ny fanorenana ny hoavin’ny firenena.
✨ Maro ireo tanora sy mpitarika nanatona mba hangataka fanazavana fanampiny momba ny fomba sy ny dingana amin’ny fanatanterahana ny Fikaonandoham-pirenena. Hita mazava ny fahalianan’izy ireo sy ny fahavononany handray anjara.
🌱 Nahavelombolo ireo mpanatrika ny fahafantarana fa hohenoina sy horaisina an-tànana ny hevitry ny mponina eny ambanivohitra sy ny faritra lavitra. Izany dia nampitombo ny fahavononana handray anjara amin’ny dingana rehetra amin’ny fikaonandoha.
✅Manaporofo ihany koa ity hetsika ity fa sehatra mahomby amin’ny fampahafantarana sy fanentanana ny fiaraha-miasa amin’ireo fiangonana sy fikambanana maro samihafa.