Ministère Chargé de la Refondation
Ministère Chargé de la Refondation
𝐂𝐨𝐧𝐟𝐞́𝐫𝐞𝐧𝐜𝐞 𝐁𝐮𝐝𝐠𝐞́𝐭𝐚𝐢𝐫𝐞 𝐑𝐞́𝐠𝐢𝐨𝐧𝐚𝐥𝐞 𝐒𝐀𝐕𝐀 𝟐𝟎𝟐𝟔 – 𝐅𝐢𝐭𝐬𝐢𝐝𝐢𝐡𝐚𝐧𝐚 𝐚𝐫𝐚-𝐩𝐨𝐦𝐛𝐚 𝐟𝐚𝐧𝐚𝐣𝐚𝐧𝐚 – 𝐅𝐚𝐧𝐨𝐤𝐚𝐟𝐚𝐧𝐚 𝐧𝐲 𝐉𝐌𝐉 𝐃𝐢𝐨̂𝐬𝐞𝐳𝐢𝐧’𝐀𝐧𝐭𝐬𝐢𝐫𝐚𝐧𝐚𝐧𝐚 𝐚𝐧𝐝𝐢𝐚𝐧𝐲 𝐕𝐈𝐈
25 sy 26 Aogositra 2026
Sambava – Faritra SAVA, Préfecture de Sambava, Kianja Monisipaly Sambava
Lohahevitra
Conférence Budgétaire Régionale (CBR) SAVA 2026 ;
Fitsidihana ara-pomba fanajana ny Lehiben’ny Faritra SAVA sy ny Préfet’i Sambava ;
Fanokafana ara-pomba ofisialy ny JMJ Diôsezin’Antsiranana, andiany VII.
Ireo niatrika
Ny tompon’andraikitra, ireo nasaina ary ireo mpikarakara ny hetsika.
1. Conférence Budgétaire Régionale SAVA 2026
Asa natao :
Natao ny Conférence Budgétaire Régionale SAVA 2026, izay sehatra nanangonana ireo hevitra sy filàna avy eny ifotony hoentina amin’ny famolavolana ny teti-bolam-panjakana 2027. Nifantoka tamin’ny zava-misy sy ny filàna tena iainan’ny Faritra SAVA ny dinika, mba hisian’ny famolavolana tetibola mifanaraka amin’ny laharam-pahamehana eny ifotony.
Vokatra azo :
Voangona ireo filàna sy laharam-pahamehana avy amin’ny Faritra ;
Nampitomboina ny fandraisan’anjaran’ireo mpisehatra eny ifotony amin’ny famolavolana ny tetibolam-panjakana ;
Nomena lanja bebe kokoa ny zava-misy marina eny anivon’ny Faritra, ka hialana amin’ny fomba fanao tsy mifototra amin’ny filàna tena misy.
Fiantraikany :
Manampy amin’ny fanatsarana ny fandrindrana sy ny famolavolana ny teti-bolam-panjakana ny CBR, ka hahafahana mampifanaraka kokoa ny tetibola amin’ny filàn’ny mponina sy ny laharam-pahamehan’ny Faritra.
2. Fitsidihana ara-pomba fanajana ny Lehiben’ny Faritra SAVA sy ny Préfet’i Sambava
Asa natao :
Ny harivan’ny 25 Aogositra 2026 no nanaovana ny fitsidihana ara-pomba fanajana ny Lehiben’ny Faritra SAVA, ary ny marainan’ny 26 Aogositra 2026 kosa ny fitsidihana ny Préfet’i Sambava.
Nampahafantarina azy ireo nandritra izany ny fivoahan’ny fanendrena ireo Sefo Servisy telo mandrafitra ny Fitaleavam-paritry ny Fanavaozana SAVA, izay efa niaraha-nikarakara sy nodinihina niaraka tamin’ireo tompon’andraikitra ireo tany am-boalohany.
Nohamafisina ihany koa ny fahavononana hanohy ny fiaraha-miasa sy ny fifampiraharahana amin’ireo tompon’andraikitra isan-tsehatra, ho fanatanterahana ny Fanavaozana.
Vokatra azo :
Nampahafantarina tamin’ny fomba ofisialy ireo tompon’andraikitra voakasika ny fivoahan’ny fanendrena ;
Nohamafisina ny fiaraha-miasa eo amin’ny Fitaleavam-paritry ny Fanavaozana sy ireo tompon’andraikitra eo anivon’ny Faritra sy ny Préfecture ;
Naneho fankasitrahana sy fahavononana hanohy ny fiaraha-miasa ireo tompon’andraikitra notsidihina.
Fiantraikany :
Manamafy ny firindran’ny fiaraha-miasa sy ny fandrindrana eo amin’ireo rafitra samihafa izany, ka manamora ny fanatanterahana ny vina sy ny ezaka ho amin’ny Fanavaozana eny anivon’ny Faritra SAVA.
3. Fanokafana ara-pomba ofisialy ny JMJ Diôsezin’Antsiranana – Andiany VII
Asa natao :
Tontosa tao Sambava ny 26 Aogositra 2026 ny fanokafana ara-pomba ofisialy ny JMJ Diôsezin’Antsiranana, andiany VII, izay hotanterahina hatramin’ny 30 Aogositra 2026.
Nandritra ny lanonana fanokafana dia samy nanamafy ireo mpandaha-teny ny maha-zava-dehibe ny tanora sy ny anjara toerany amin’ny fanorenana ny hoavin’ny firenena. Notsindriana manokana fa anisan’ireo fototra iorenan’ny Fanavaozana ny tanora.
Ny lohahevitra iainan’ity JMJ ity dia :
« ATSIKA ÔLO ARAIKY, … MIFAMPITSIMBINA, … MIARO NY TONTOLO IAINANA, … HO VAVOLOMBELON’I KRISTY »
Vokatra azo :
Nisokatra tamin’ny fomba ofisialy ny JMJ Diôsezin’Antsiranana andiany VII ;
Nampitomboina ny fahafahan’ny tanora mihaona, mifampizara ary mandray anjara amin’ireo hetsika ara-panahy sy ara-tsosialy ;
Nohamafisina ny hafatra momba ny firaisankina, ny fifampitsimbinana ary ny fiarovana ny tontolo iainana.
Fiantraikany :
Manampy amin’ny fanamafisana ny andraikitry ny tanora eo amin’ny fiainam-pirenena sy ny fiarahamonina ny hetsika. Mampiroborobo ihany koa ny firaisankina, ny fifanajana, ny fifampitsimbinana ary ny fandraisana andraikitra amin’ny fiarovana ny tontolo iainana.
Ny hetsika natao tany Sambava ny 25 sy 26 Aogositra 2026 dia nahafahana nanamafy ny fandraisana anjaran’ny Faritra amin’ny famolavolana ny teti-bolam-panjakana, nanamafy ny fiaraha-miasa amin’ireo tompon’andraikitra ara-panjakana, ary nanome lanja manokana ny tanora amin’ny alalan’ny JMJ Diôsezin’Antsiranana.
Ireo hetsika ireo dia samy mandray anjara amin’ny fanamafisana ny fiaraha-mientana sy ny fandraisana andraikitra iombonana ho amin’ny Fanavaozana sy ny tombontsoa iombonan’ny Malagasy.