Fanentanana ireo mpanabe handray anjara mavitrika amin’ny fikaonandoha sy fakan-kevitra ifotony

25 Aogositra 2026

CEG Sahanivotry Manandona – Vakinankaratra

Fanentanana ireo mpanabe ho amin’ny Fanavaozana

Tontosa soa aman-tsara tao amin’ny CEG Sahanivotry Manandona ny fanentanana ireo Tale sy mpampianatra CEG niofana momba ny CRAN (Cours de Remise À Niveau).

Nifantoka tamin’ny :
Fanentanana ireo mpanabe handray anjara mavitrika amin’ny fikaonandoha sy fakan-kevitra ifotony, izay eo ambany fitarihan’ny FFKM;
Fampahafantarana ny fisian’ny Fitaleavam-paritry Misahana ny Fanavaozana (DRR) Vakinankaratra sy ny birao fiasany
Fanamafisana ny ady amin’ny kolikoly sy ny maha-zava-dehibe ny fandraisana andraikitra.


Tsapa nandritra ny fifanakalozan-kevitra fa tena liana amin’ny Fanavaozana ireo mpanabe, indrindra eo amin’ny sehatry ny fanabeazana. Porofon’izany ny fahavitrihan’izy ireo nametraka fanontaniana sy nizara hevitra.

Fisaorana manokana an-dRamatoa Tale DRR sy ireo Chefs de Service nandrindra ny hetsika, ary fankasitrahana an’Andriamatoa Talem-paritry ny Fanabeazam-pirenena tamin’ny fanomezana fotoana hanatanterahana izao fanentanana izao.