πŸ“† 25 aogositra 2026
🏠Village Voara Andohatapenaka
πŸ“£ππ¨π­πšπ§π­πžπ«πšπ‘πšπ§πš 𝐚𝐧𝐝𝐫𝐨𝐚𝐧𝐲 𝐭𝐞𝐧𝐲 𝐚𝐦𝐒𝐧’𝐧𝐲 𝐕𝐒π₯π₯𝐚𝐠𝐞 π•π¨πšπ«πšπ² π€π§ππ¨π‘πšπ­πšπ©πžπ§πšπ€πš 𝐧𝐲 𝐟𝐚𝐧𝐨𝐦𝐩𝐨𝐚𝐦-𝐩𝐒𝐯𝐚𝐯𝐚𝐑𝐚𝐧𝐚 𝐒𝐳𝐚𝐲 𝐭𝐚𝐫𝐒𝐑𝐚𝐧’𝐧𝐲 𝐟𝐒π₯𝐨𝐑𝐚𝐦-𝐩𝐒𝐚𝐧𝐠𝐨𝐧𝐚𝐧𝐚 π…π…πŠπŒ
πŸ“’Niompana amin’ny iraka lehibe napetraka amin’ny Fiangonana dia ny hanatanteraka ny fikaonandoha hitondra makany amin’ny Fanavaozana ny firenena ny fotoana
πŸ“Œ-Nitondrana am-bavaka ny fametrahana ny rafitra rehetra hitondrana izao fikaonandoham-pirenena izany:
-Ireo filoham-piangonana 4 mirahalahy
-Ny Tonia ny FFKM misahana ny fikaonandoham-pirenena
-Ny Filan-kevim-pitantanana
-Ireo Mpandrindra nasionalin’ny fikaonandoham-pirenena tarihin’ny FFKM
-Ny vondrona misy ireo mpanolontsaina miisa 16
πŸ‘‰Tonga nanatrika izany ny Mpanolotsaina Avon’ny Fanavaozana , ny Kolonely Thierry Rampanarivo, ny Praiminisitra Mamitiana Rajaonarison sy ny Minisitra misahana ny Fanavaozana, Me Hanitra Razafimanantsoa sy mpikambana sasantsany eo anivon’ny Governemanta
πŸ“Œ-Notsindrina tao anatin’ny toriteny izay nalaina tao amin’ny bokin’Isaia 43: 18-20 fa misy lalana vaovao soritin’Andriamanitra ka tsy tokony avela hanakana ny asa ataon’Andriamanitra ankehitriny ny lasa. Reraka eny am-pandehanana ny vahoaka amin’ny fisainana ny lasa ka antsoin’Andriamanitra hibanjina ny fanantenana vaovao entin’ny ankehitriny sy hitondra any amin’ny ho avy
✊Asa goavana ny miandry tsy natao ifampiandrasana fa natao ifampitantanana. Fanapahan-kevitra vaovao, fijery vaovao, fomba fiasa vaovao no andrasana amin’ny tsirairay
πŸ‘Tsy ho diso anjara amin’ny asam- panavaozana ataon’Andriamanitra eto amin’izao tontolo izao ny Nosintsika