๐Š๐Ž๐Œ๐ˆ๐“๐˜ ๐“๐„๐Š๐๐ˆ๐Š๐€ ๐‡๐Ž ๐€๐โ€™๐๐˜ ๐…๐ˆ๐Š๐€๐Ž๐๐€๐-๐ƒ๐Ž๐‡๐€๐Œ-๐๐ˆ๐‘๐„๐๐„๐๐€ : ๐๐€๐Œ๐Ž๐‘๐˜ ๐ˆ๐‘๐„๐Ž ๐’๐Ž๐Š๐€๐‰๐ˆ๐-๐Š๐„๐‘๐˜/๐Ž๐‹๐Ž๐๐€ ๐Œ๐€๐๐€๐๐€ ๐’๐Ž๐‹๐Ž๐๐“๐„๐๐€ ๐€๐Ž ๐€๐Œ๐ˆ๐โ€™๐๐˜ ๐Š๐Ž๐Œ๐ˆ๐“๐˜ ๐๐˜ ๐๐‘๐€๐ˆ๐Œ๐ˆ๐๐ˆ๐’๐ˆ๐“๐‘๐€ ๐Œ๐€๐Œ๐ˆ๐“๐ˆ๐€๐๐€ ๐‘๐€๐‰๐€๐Ž๐๐€๐‘๐ˆ๐’๐Ž๐

๐‘ณ๐’‚๐’‘๐’‚๐’’๐’Š ๐‘ด๐’‚๐’‰๐’‚๐’›๐’๐’‚๐’“๐’Š๐’—๐’
[๐‘ญ๐’‚๐’‰๐’‚-21 ๐’‚๐’๐’ˆ๐’๐’”๐’Š๐’•๐’“๐’‚ 2026]
๐Ÿ•ณNivory tao aminโ€™ny Lapanโ€™i Mahazoarivo androany ireo solontenanโ€™ny sokajin-kery/olona samihafa izay hanana solontena handrafitra ny Komity Teknika misahana ny fanomanana ny Fikaonan-doham-pirenena.
Notarihinโ€™ny Praiminisitra, Lehibenโ€™ny Governemanta, Mamitiana Rajaonarison, ny fihaonana. Nandritra izany no nanazavana ny antsipirihanโ€™ny didim-panjakana mamaritra ny andraikitra sy ny firafitry ny Komity Teknika, ary nampahatsiahivana ny antony sy ny tanjona lehibe aminโ€™ny fananganana azy sy ny fanatanterahana ny Fikaonan-doham-pirenena.
๐ŸซณNotsindrianโ€™ny Praiminisitra fa :
ยซ Ny Malagasy samy Malagasy no mandamina ny raharaham-pirenena. Ny avy any ivelany dia manohana sy manampy, fa isika Malagasy no tomponโ€™andraikitra aminโ€™ny famaritana ny hoavinโ€™ny firenentsika. ยป
Nohamafisiny fa fotoana lehibe izao hiatrehana sy hamahana ireo olana fototra mampiverimberina ny krizy eto Madagasikara, ka tsy tokony havela handalo fotsiny ity dingana manan-tantara ho anโ€™ny firenena ity.
๐Ÿ—“Aorianโ€™izao fihaonana izao dia hiverina any aminโ€™ny sokajin-kery/olona misy azy avy ireo solontena, hifampidinika sy hanolotra ireo anarana hotendrena ho mpikambana ao aminโ€™ny Komity Teknika.
ยซ Asa masina ho anโ€™ny firenena ยป no namaritanโ€™ny Praiminisitra ny andraikitra miandry ireo mpikambana ao aminโ€™ny Komity. Izy ireo no handinika sy hitondra tolo-kevitra aminโ€™ireo lafin-javatra marolafy, mba hahatomombana sy hahomby ny fanomanana ary ny fanatanterahana ny Fikaonan-doham-pirenena.
Ny tanjona dia ny hametraka sehatra ahafahanโ€™ny Malagasy miara-mandinika, miara-mamaritra ary miara-manorina vahaolana maharitra ho anโ€™ny firenena.
๐—ก๐˜† ๐—ฆ๐—ฒ๐—ฟ๐—ฎ๐˜€๐—ฒ๐—ฟ๐—ฎ