๐—›๐—ฎ๐—ฟ๐—ฒ๐—ป๐—ฎ ๐—ฎ๐—ป-๐—ธ๐—ถ๐—ฏ๐—ผ๐—ปโ€™๐—ป๐˜† ๐˜๐—ฎ๐—ป๐˜† : ๐—ฎ๐—ปโ€™๐—ป๐˜† ๐— ๐—ฎ๐—น๐—ฎ๐—ด๐—ฎ๐˜€๐˜† ๐—ธ๐—ฎ ๐˜๐—ผ๐—ธ๐—ผ๐—ป๐˜† ๐—ต๐—ผ ๐˜€๐—ถ๐˜๐—ฟ๐—ฎ๐—ต๐—ฎ๐—ปโ€™๐—ป๐˜† ๐— ๐—ฎ๐—น๐—ฎ๐—ด๐—ฎ๐˜€๐˜† ๐—ป๐˜† ๐˜๐—ผ๐—บ๐—ฏ๐—ผ๐—ป๐˜๐˜€๐—ผ๐—ฎ ๐—ฎ๐˜ƒ๐˜† ๐—ฎ๐—บ๐—ถ๐—ป๐˜† ๐—ต๐—ผ๐˜† ๐—ป๐˜† ๐— ๐—ถ๐—ป๐—ถ๐˜€๐—ถ๐˜๐—ฟ๐—ฎ ๐—บ๐—ถ๐˜€๐—ฎ๐—ต๐—ฎ๐—ป๐—ฎ ๐—ป๐˜† ๐—™๐—ฎ๐—ป๐—ฎ๐˜ƒ๐—ฎ๐—ผ๐˜‡๐—ฎ๐—ป๐—ฎ

Tanterahana mandritra ny roa andro eny Ankerana ny loabary an-dasy karakarainโ€™ny Fiarahamonim-pirenena eo aminโ€™ny sehatry ny harena an-kibonโ€™ny tany
Hoy ny Minisitra misahana ny Fanavaozana, Me Hanitra Razafimanantsoa tanaty lahateny fanokafana ny atrik’asa :
Tsy ho tompony mangataka atiny intsony ny Malagasy aminโ€™ny harena ananany : solika, entona, harena an-kibonโ€™ny tany. Efa nanomboka nandray andraikitra ny fitondrana Fanavaozana aminโ€™ny fanomezana ireo tamberim-bidy ho anโ€™ny kaominina sy distrika.
Samy handray andraikitra isika hoy izy satria ny fiarahamonim-pirenena no mahalala ny zava-misy eny ifotony mba tsy hataonโ€™ny olom-bitsy tantely afa-drakotra intsony ny harem-pirenena.
Miara-miasa ny fanjakana sy ny fiaraha-monim-pirenena satria izy ireo no aroriaka,mpandinika sy mpanome soso-kevitra ary koa mpisintona lakolosy.
Aorianโ€™ity atrikโ€™asa ity dia hamoaka fehin-kevitra ireo mpandray anjara avy aminโ€™ny faritra 24 ary hiverina hitondra izany any ifotony indray.