Ministère Chargé de la Refondation
Ministère Chargé de la Refondation
Fanombohana ny fankalazana ny faha-135 taonan’ny Toeram-pitsaboana Soavinandrina na ny Hopitaly Miaramila.
Notanterahina androany ny lanonana fanombohan’ny fankalazana ny faha-135 taonan’ny Toeram-pitsaboana Soavinandriana, fantatra kokoa amin’ny anarana hoe Hopitaly Miaramila. Notarihin’ny andinin-tSoratra Masina ny lanonana, izay milaza hoe : « Nitondra ny aretintsika tokoa Izy » (Isaia 53:4)
Nanatrika ny lanonana :
- ireo mpanolo-tsaina Avo : ny Jeneraly Manantenasoa Marcellin Zafitasondry Ranoelson, ny Kôlônely Gervais Andriamiarisoa,
- ny Kôlônely Solofoniaina Thierry Rampanarivo
- Ireo mpikambana eo anivon’ny Governemanta, ka anisan’izany ny Minisitra Misahana ny Fanavaozana, Maître Hanitra Razafimanantsoa
Fanokafana ara-panahy
Ny teny filamatra nofidina ho an’ity fankalazana ity dia ny hoe : hambompo, fanavaozana, ary fahasalamana ho an’ny rehetra.
Ny fanompoam-pivavahana no nanokafana ny fotoana, natao ho fanamasinana ny lanonana sy fanoloran-kevitra ho an’Andriamanitra ny asa hatao.
Nofidiana tamin’izany ny Teny hoe: « Hohavaoziko ny zava-drehetra » — hafatra izay nampahatsiahy fa tsy fanavaozana ara-batana fotsiny no kendrena, fa fanavaozana manontolo : ny olona amin’ny lafiny vatana, saina, ary fanahy, ary koa ny zavaboahary manodidina azy.
Tantara : 135 taona nijoroan’ny hopitaly voalohany teto Madagasikara
Ny Hopitaly Miaramila Soavinandriana no hopitaly voalohany indrindra nijoro teto Madagasikara, natsangana tamin’ny 13 Aogositra 1891. Nandritra ny 135 taona nisiany, dia nandia ny vanim-potoana nandalovan’i Madagasikara ity hopitaly ity :
- Ny vanim-potoanan’ny Fanjakan’ny Mpanjaka
- Ny fotoanan’ny Fanjanahan-tany
- Ny nahazoana ny Fahaleovantena
- Ary ireo Repoblika nifandimby teto amin’ny firenena
Ireo mampiavaka ny Hopitaly Soavinandriana
Amin’izao fotoana izao, mitana andraikitra manan-danja ny hopitaly amin’ny fitsaboana avo lenta, indrindra amin’ny sehatry ny:
- Fandidiana fo misokatra: ankizy maherin’ny 30 no efa nisitraka
- Fandriana 500: manome fahafahana hametrahana serivisy manokana (services spécialisés) sy fikarakarana ny marary amin’ny fomba mahomby, indrindra amin’ny lafiny fameloman’aina
Vinan’ny fankalazana: fanamboarana atao ao anaty herintaona
namoaka vina maromaro momba ny fanatsarana ny fotodrafitrasa ny tompon’andraikitra, izay ho tanterahina ao anatin’ny herintaona:
- Fananganana toerana fandraisana ho an’ireo havan’ny marary
- Fametrahana toerana manokana ahafahan’ireo reny mampinono ny zanany
- Fanitarana ny « Centre de Rééducation Fonctionnelle », mba hitantana bebe kokoa ireo marary mila fitsaboana manaraka
- Fanamboarana ny toeram-piantsonan’ny angidimby (ambulances)
- Fananganana toerana fanatanjahantena, ho fanampiana amin’ny fanarenana ny marary sy ny fahasalaman’ny mpiasa
Ny tanjona lavitra : 15 taona ho avy
Ao anatin’ny 15 taona ho avy dia kasaina ho lasa hopitaly fitaratra sy rehareha eo anivon’ny faritry ny Ranomasimbe Indiana ny Hopitaly Soavinandriana.
Nandritra ny lanonana, dia nanamafy ny Jeneraly Manantenasoa Marcellin Zafitasondry Ranoelson, Mpanolo-tsaina Avo, nisolo tena ny Filohan’ny Fanavaozana ny Repoblika, Kôlônely Randrianirina Michaël, fa :
« Vonona ny fitondrana hanohana, ary miantso ihany koa ireo mpiaramiombon’antoka hahatrarana izany vina izany. »