Bongolava fanamafisana ny fanentanana sy ny fandraisananjara amin'ny fikaonandoham-pirenena

📆03 Aogositra 2026 | 📍 Tsiroanomandidy – Faritra Bongolava
📝Nanatrika ny fananganan-tsaina ny Talem-paritra Misahana ny Fanavaozana Bongolava Atoa Razakanirina Andriamalala ary naneho fisaorana ireo manampahefana sy mpiara-miasa tamin’ny fiaraha-mientana tamin’ny fametrahana tamin’ny fomba ofisialy ny Talem-paritra Misahana ny Fanavaozana ny 27 Jolay 2026.
📩📤Nohamafisina ihany koa fa mitohy ny fanentanana ny vahoaka handray anjara amin’ny Fikaonandoham-pirenena, ka hatreto dia Lehiben’ny Fokontany 61, mandrakotra kaominina 5, no efa voaentana. Hanohy ny fidinana ifotony ny ekipan’ny Fitaleavam-paritra Misahana ny Fanavaozana manomboka ny 13 Aogositra 2026, mandra-pahavitan’ny fanentanana manerana ny Faritra.
🗣️ Etsy ankilany, nandray anjara tamin’ny Fikaonandohan’ny Fikambanana Sivily (OSC) izay tanterahina ny 06–08 Aogositra 2026 ny Talem-paritra, ary nanamafy ny maha-zava-dehibe ny fandraisan’anjaran’ny Fikambanana Sivily amin’ny fitadiavana vahaolana iaraha-manana.
# MCR#Fanavaozana
# Fifanajana
# Fiarahamientana
# Fanolorantena