πŸ“ 18 Aogositra 2026 – Faritra Fitovinany
πŸ€π…π’π€πšπ¨π§πšπ§ππ¨π‘πšπ¦-𝐩𝐒𝐫𝐞𝐧𝐞𝐧𝐚 𝐑𝐨 πšπ§β€™π§π² π…π’πšπ«πšπ‘πšπ¦π¨π§π’π¦-𝐩𝐒𝐫𝐞𝐧𝐞𝐧𝐚 𝐚𝐨 𝐚𝐦𝐒𝐧’𝐧𝐲 π…πšπ«π’π­π«πš π…π’π­π¨π―π’π§πšπ§π²
Nosokafana tamin’ny fomba ofisialy androany, tao amin’ny Faritra Fitovinany, ny Fikaonandoham-pirenena natokana ho an’ny Fiarahamonim-pirenena (SociΓ©tΓ© Civile).
πŸŽ™οΈ Ny Talem-paritra misahana ny Fanavaozana ao Fitovinany, Atoa Romario RANDRIAZAFY no nanokatra tamin’ny fomba ofisialy ity fikaonandoha ity.
πŸ’¬ Notsindriany fa zava-dehibe ny fisian’ny Fikaonandoham-pirenena ho an’ny Fiarahamonim-pirenena, satria anisan’ny hery lehibe sy mpiara-miombon’antoka amin’ny fanorenana sy fampandrosoana ny Faritra ary ny Firenena ny Fiarahamonim-pirenena.
πŸ—£οΈ Fotoana iray ihany koa izao ahafahan’ireo mpisehatra avy amin’ny Fiarahamonim-pirenena maneho hevitra, mizara traikefa ary mandray anjara mavitrika amin’ny dinika momba ny Fanavaozana sy ny hoavin’ny Firenena.
πŸ“… Haharitra 3 andro ny fikaonandoha, ary solontena avy amin’ireo sehatra sy rafitra samihafa ao amin’ny Fiarahamonim-pirenena no mandray anjara amin’izany.