𝐅𝐚𝐧𝐚𝐳𝐚𝐯𝐚𝐧𝐚 𝐟𝐚𝐧𝐞𝐧𝐭𝐚𝐧𝐚𝐧𝐚 𝐦𝐨𝐦𝐛𝐚 𝐧𝐲 𝐅𝐢𝐤𝐚𝐨𝐧𝐚𝐧𝐝𝐨𝐡𝐚𝐦-𝐩𝐢𝐫𝐞𝐧𝐞𝐧𝐚

📆05 Aogositra 2026📍 Farafangana – Faritra Atsimo Atsinanana
 
☑️Nisy ny fihaonana tamin’ireo Ben’ny Tanàna miisa 98 mandrafitra ny Faritra Atsimo Atsinanana, notarihin’ny Talem-paritry ny Fanavaozana Atsimo Atsinanana Atoa Iotokarozy sy ireo mpiara-miasa aminy.
📝Nandritra izany no nisian’ny:
* Fampahafantarana ny fisokafan’ny famatsiam-bola ho an’ny fampiasam-bola fampandrosoana eny anivon’ny Kaominina, tanterahin’ny Ministeran’ny Atitany sy ny Fitsinjaram-pahefana amin’ny alalan’ny Fonds de Développement Local (FDL).
* Fanararaotana ny fihaonana hanaovana fanazavana sy fanentanana momba ny Fikaonandoham-pirenena, izay hotanterahina eny anivon’ny Fokontany, Kaominina, Distrika ary Faritra, eo ambany fitarihan’ny FFKM.
# MCR# Fanavaozana
# Fifanajana
# Fanolorantena