Nanohy ny fidinana ifotony ny Talem-paritra misahana ny Fanavaozana Anosy ka ny Kaominina Ankariera, Ambatoabo ary Andranobory no notsidihina ny 29 sy 30 Jolay 2026. Natao nandritra izany ny fanazavana sy fanentanana momba ny Fikaonandoham-pirenena ary ny fanomanana ny fandraisan’anjaran’ny olom-pirenena.
Nohazavain’ny Talem-paritra Atoa Livera Bevazaha fa mpitantsoroka ny Ministera misahana ny Fanavaozana amin’ny fanatanterahana ny dingana, ka ny andraikiny dia ny manentana sy mampahafantatra ny olom-pirenena mba handray anjara mavitrika amin’ny fakan-kevitra. Notsindriany fa ny FFKM no misahana tanteraka ny Fikaonan-doham-pirenena, ary ny hevitry ny olom-pirenena no fototra hananganana vahaolana ho an’i Madagasikara.