๐‰๐Ž๐๐ˆ๐‹๐˜ ๐…๐€๐‡๐€-๐Ÿ๐ŸŽ๐ŸŽ ๐“๐€๐Ž๐๐€๐โ€™๐๐˜ ๐“๐Ž๐๐˜ ๐‹๐„๐‡๐ˆ๐๐„ ๐Œ๐€๐๐Ž๐‹๐Ž๐“๐‘๐Ž๐๐˜ : ๐๐€๐๐Ž๐Œ๐„ ๐•๐Ž๐๐ˆ๐๐€๐‡๐ˆ๐“๐‘๐€ ๐๐˜ ๐…๐€๐๐Ž๐Š๐€๐…๐€๐๐€ ๐๐˜ ๐๐‘๐€๐ˆ๐Œ๐ˆ๐๐ˆ๐’๐ˆ๐“๐‘๐€ ๐Œ๐€๐Œ๐ˆ๐“๐ˆ๐€๐๐€ ๐‘๐€๐‰๐€๐Ž๐๐€๐‘๐ˆ๐’๐Ž๐

๐‘ณ๐’‚๐’‘๐’‚๐’โ€™๐’Š ๐‘ด๐’‚๐’‰๐’‚๐’›๐’๐’‚๐’“๐’Š๐’—๐’
16 aogositra 2026
โšช๏ธ ยซ Tsy azo ihodivirana ny fitaizam-panahy mba hahafahana miala aminโ€™ny fahazaran-dratsy rehetra, ka hirosoana aminโ€™ny tena fanavaozana sy ny fandrosoana marina. ยป
โ›ช Tendrombohitra Masina Vohitsara (1927โ€“2027)
Tonga nanome voninahitra sy nanotrona taminโ€™ny fomba ofisialy ny fanokafana ny Jobily faha-100 taonanโ€™ny Toby Lehibe Manolotrony ny Praiminisitra, Lehibenโ€™ny Governemanta, Mamitiana Rajaonarison.
Nandritra ny fandraisam-pitenenany dia nasongadinโ€™ny Praiminisitra fa mifameno ny Fiangonana sy ny Fanjakana eo aminโ€™ny fanabeazana ny olom-pirenena, ny fitandroana ny filaminana ary ny fampandrosoana ny firenena. Ny fiaraha-mientanโ€™ny roa tonta, ao anatinโ€™ny fifampihainoana sy ny fifanajana, hoy izy, dia anisanโ€™ny fototra iorenanโ€™ny fiarahamonina mirindra sy ny fampandrosoana maharitra.
๐Ÿ—ฃ Nohamafisiny manokana fa fototra tsy azo ihodivirana ny fitaizam-panahy, satria manampy ny tsirairay hiala aminโ€™ny fahazaran-dratsy sy hanova toe-tsaina, ka hahafahana miroso aminโ€™ny fanavaozana marina ho anโ€™ny vahoaka Malagasy.
Noderainโ€™ny Praiminisitra ihany koa ireo soatoavina nentinโ€™ny Toby Lehibe Manolotrony hatrizay, indrindra ny fanetren-tena, ny finoana ary ny vavaka fangataham-pitahiana ho anโ€™ny firenena, izay soatoavina mendrika tohizana sy halain-tahaka.
Izao fanotronana ny fotoam-pivavahana isan-taona sady fanokafana ny taom-pankalazana ny faha-100 taona izao dia mifanaraka aminโ€™ny antso nataonโ€™ny Filohanโ€™ny Fanavaozana, RANDRIANIRINA Michael, ho aminโ€™ny fiaraha-mientanโ€™ny Fiangonana sy ireo hery velona rehetra eo aminโ€™ny firenena.
Notsindrianโ€™ny Praiminisitra fa ny fampiraisana ny Malagasy ao anatinโ€™ny fifanajana, na eo aza ny fahasamihafana, no iray aminโ€™ireo antoka lehibe ahafahana manatanteraka ny fanavaozana ifotony sy manorina firenena milamina, miray hina ary mandroso.
๐Ÿ”น Hevi-dehibe nisongadina :
*Fiaraha-mientanโ€™ny Fiangonana sy ny Fanjakana : mifameno aminโ€™ny fanabeazana, ny fitandroana ny filaminana ary ny fampandrosoana ny firenena.
*Fitaizam-panahy : fototra hanovana toe-tsaina sy hialana aminโ€™ny fahazaran-dratsy.
Soatoavinโ€™ny Toby : fanetren-tena, finoana ary vavaka ho anโ€™ny firenena.
*Fampiraisana : fampivondronana ny Malagasy ao anatinโ€™ny fifanajana sy ny fahasamihafana, ho aminโ€™ny fanavaozana syny fandrosoana.
๐—ก๐˜† ๐—ฆ๐—ฒ๐—ฟ๐—ฎ๐˜€๐—ฒ๐—ฟ๐—ฎ