Notanterahina ny 06 Aogositra 2026 ny fanentanana ireo tomponโandraikitra ao aminโny Kaominina Ambanivohitrโi Ampasimbe Manantsatrana, notarihin-dRamatoa Talem-paritra misahana ny Fanavaozana Analanjirofo, ANDRIANANDRAINA Aldine, niaraka taminโireo mpiara-miasa aminy. Nohazavaina taminโizany ny tanjona sy ny lanjanโny Fakan-kevitra nasionaly, izay andraisanโny olom-pirenena rehetra anjara ary hotarihinโny FFKM.