Nisy ny fihaonana tamin’ireo Filohan’ny Fokontany 25 ao amin’ny Kaominina Ambanivohitra Antsiranana sy ny Talem-paritra misahana ny Fanavaozana DIANA Atoa Andriamberomanga Merthon. Nampahafantarina nandritra izany ny fisian’ny Fitaleavam-paritra sy ny iraka sahaniny, indrindra ny fanomanana ny Fikaonandoham-paritra hotarihin’ny FFKM.