Tatitry ny filankevitry ny Minisitra.

22 Jolay 2026
πŸ“ Lapan’Ambohitsirohitra
πŸŽ―π“πžπ­π’π€πšπ¬πš π…π€ππƒπ‘πŽπ’πŽ : 𝟐𝟎𝟎 𝐦𝐒π₯𝐒𝐚𝐫𝐚 𝐚𝐫𝐒𝐚𝐫𝐲 𝐑𝐨 πšπ§β€™π§π² 𝐟𝐚𝐧𝐝𝐫𝐚𝐑𝐚𝐫𝐚𝐑𝐚𝐧𝐚
πŸ‘‰Natomboka tamin’ny fomba ofisialy ny 22 Jolay 2026 ny tetikasa #FANDROSO.
Tetikasa izay natao hanohanana ireo tanora manam-bina sy ny mpandraharaha Malagasy hamorona sy hampivelatra ny orinasany.
🧩Nitarika ny lanonana nanombohana tamin’ny fomba ofisialy ity tetikasa ity ny Filohan’ny Fanavaozana ny Repoblika, Kolonely Randrianirina Michael, ireo Mpanolotsaina Avon’ny Fanavaozana,ny Praiministra Lehiben’ny Governemanta Atoa Rajaonarison Mamitiana, ireo mpikambana eo anivon’ny Governemanta ka anisan’izany ny Minisitra misahana ny Fanavaozana, Me Hanitra Razafimanantsoa.
πŸ’° Famatsiam-bola averina amin’ny zanabola ambany, tsy fanomezana. Mizara roa:
πŸ”Ή π“π’πˆπ‘π˜
βœ…Natokana ho an’ny tanora vao manomboka fandraharahana
famatsiam-bola hatramin’ny 60 tapitrisa Ariary, averina ao anatin’ny roa taona.
πŸ”Ή π“π€π…πˆπ“π€
βœ…Natokana ho an’ireo mpandraharaha efa miasa ka mila manitatra ny famokarana
βœ…Famatsiam-bola mihoatra ny 60 tapitrisa Ariary, averina ao anatin’ny telo taona amin’ny zanabola ambany
🎯 Tanjona :
βœ…hanome fahafahana ny tanora sy ny mpandraharaha hahazo famatsiam-bola sy fanohanana
βœ…hampiroborobo ny fandraharahana
βœ…hamorona asa, hanangana orinasa Malagasy matanjaka.
πŸ‘‰Vakio manontolo ato ny lahatsoratra feno ↓ : https://mcr.gov.mg/fanombohana_tetikasa_fandroso/